Main Menu

Tag Archives | fanabeazana

Ireto varijatsy dia fantatra ho mpanaparitaka vihy sy vovombony Sary: Mathias Appel

Zavatra 10 tokony ho fantatra sy mahavariana momba ny varika

1. Maherin’ny 100 ny karazana varika fantatra ankehitriny, ary amin’ny endriny sy habe maro samihafa! Misy karazany 111 ny varika, izay hita amin’ny endrika sy habe rehetra.  Ny kely indrindra, ilay antsoina hoe Tsidin’i Madama Berthe, dia milanja manodidina ny 30g eo ho eo,  ary ny lehibe indrindra, izay  ny Babakoto, dia  milanja 6 hatramin’ny […]

Continue Reading
Sary 2

Ny vintsy : tetikasan’ny fikambanana WWF Madagasikara mampifandray ny tanora sy ny tontolo iainana

Inona izany Club Vintsy izany ? Ny Club Vintsy dia fikambanana mpiaro ny tontolo iainana mitsangana eny anivon’ny sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana, ary amin’ny ambaratonga rehetra amin’ny fianarana. Ny taona 1992 no niorina ny Club Vintsy voalohany. Miisa 750 izy ireo manerana an’i Madagasikara. Anisan’ny vokatry ny tetikasa “Ny Voaary” izay nokarakarain’ny WWF […]

Continue Reading
Photo credit: GFSA
Diabe ho an’ny Ala (Marche pour la forêt) 2019

Fikambanana GFSA: Tanora mandray ny andraikiny amin’ny fiarovana ny tontolo iainana

Mahafaly anay eto amin’ny Lemur Conservation Network no mampahafantatra ny Ny Gasy Forestry Students’ Association – Madagascar (GFSA – Madagascar) , izay fikambanana voalohany indrindra mampivondrona ireo mpianatra eo anivon’ny Departemantan’ny Ala sy ny Tontolo Iainana ao amin’ny Ecole Supérieure des Sciences Agronomiques (ESSA-Forêts), Oniversiten’Antananarivo. Isaorana betsaka ny ekipa izay tarihin’i R. Ntsiva N. Andriatsitohaina […]

Continue Reading
DSC_0216

Ry Malagasy, harenantsika anie ny varika eh: fantaro, tiavo ary arovy ny harenantsika

Ny momba momba an’i Princiah  Rabary Andriamihaja Princiah no anarako. 24 taona aho izao ary mpianatra taona faha 5 eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, fakiolten’ny siansa ary mianatra manokana momban’ny varika sy ny fiarovana azy ireo.  Eo andalam-pamaranana ny fianarako aho ankehitriny, ary vao avy nahavita ny fidinana roa volana tany amin’ny valanjavaboary tsy miankina ao Berenty, […]

Continue Reading
Hiakan'ny Ala 2018

Fikambanana Ary Saina : Fikambanana mpikaroka Malagasy mivondrona hampiroborobo ny fikarohana siantifika ho fitaovana entina miaro sy mitantana ny harena voajanahary

    Mba zarao aminay ny tantara sy ny mombamomban’ny fikambanana Ary Saina  Ary Saina dia fikambanana mpikaroka Malagasy, mivondrona mba hampiroborobo ny fikarohana siantifika sy mampiely/mizara fahalalana mba hahafahana miaro ireo harena voajanahary mampiavaka an’i Madagasikara. Malagasy dimy mitovy foto-kevitra sy vina no nanapa-kevitra ny hanorina ity fikambanana ity, izay nitsangana ara-dalana tamin’ny 27 […]

Continue Reading
Ireo mpikambana GSM niara-naka sary talohan’ny fodiana nandritra ny Team Building 2019

Geological Society of Madagascar (GSM) : fikambanana mampiray ny olona liana sy mandalina ny Haibolantany eto Madagasikara

Mba zarao aminay ny tantara sy ny mombamomban’ny fikambanana GSM  Ny  Geological Society of Madagascar (na GSM) dia fikambanana izay mampiray ireo olona eto Madagasikara (mpianatra, mpampianatra, eo anivon’ny sehatra akademika sy sehatry ny asa, ary ireo olon-tsotra) izay liana amin’ny « Géosciences » na Haibolantany. Ny fikambanana dia voafehin’ny hitsivolana ​ ​n°​ ​60–133 tamin’ny […]

Continue Reading
hoby_2

Toro-marika ho an’ny fizahan-tany sy ireo toeram-pikarohana ho fampihenana ny loza mety hateraky ny fifindran’ny COVID-19 amin’ny varika

Ny fikambanana maneran-tany momba ny fahasalamana na ny OMS (Organisation Mondiale de la Santé) dia nampahafantatra ny fisian’ny hamehana ara-pahasalamam-bahoaka maneran-tany manoloana ny fisian’ny valanaretina manerana coronavirus na COVID-19 ary fantatra ankehitriny fa misy porofo ny fisian’io tsimokaretina io COVID-19 io eto Madagasikara1. Eto am-pikarakarana ny hamehana ho an’ny fahasalamam-bahoaka isika ankehitriny, anefa tokony hahalala […]

Continue Reading
ExploH-staff

ExplorerHome Madagascar: Ny risi-po sy ny fitiavana ny taranja STEM

Ny tanjon’ny ExplorerHome Madagascar Hampitsiry ny fitiavana karokaroka sy ny fitiavana ny taranja STEM Hampahafantatra ny olona ny momba ny fikarohana siantifika eto Madagasikara Hanolotra hetsika fanabezana sy fialam-boly ho an’ireo mpianatra izay afaka hanampy azy ireo hahazo trai-kefa momban’ireo taranja STEM no sady miala voly. Ny tantara niantobohan’ny ExplorerHome Ireo mpiara-namorona Rehefa tonga tamin’ny […]

Continue Reading