Main Menu

Madagascar Lemurs Portal : Ireo vaovao sy atrik’asa ny 17 Jolay 2019

Madagascar Lemurs Portal dia mpikambana ato amin’ny LCN efa nanomboka ity taona 2019 ity. Rafitra iray eo amin’ny internet na “plate-forme” ahafahana mikarikira ny toro-hay sy antontan-pahalalana momba ny varika, ny Madagascar Lemurs Portal. Nisy ny atrik’asa izay notanterahina ny Alarobia faha 17 Jolay 2019 mba hanaovana tomban’ezaka ireo asa vita sy vokatra azo ary ahafahana mamolavola ny tetik’asa fanatsarana iarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka maro. Nisy ny valan-dresaka izay nifanaovanay tamin’i Atoa Alihasina Rakotondramanana, Project officer na tompon’andraikitra voalohany ny tetikasa Madagascar Lemurs Portal.

Ny mombamomban’ny Madagascar Lemurs Portal sy ny antom-pisiany

Ny Madagascar Lemurs Portal na Vavahady misokatra ho an’ny fampahalalana ny varika dia tafiditra tao anatin’ny tetikasa iray izay novavolalain’ireo mpiantsehatra maro toy ny Centre Valbio-ICTE, GERP, Ny oniversiten’Antananarivo DBA sy ny Departement Paléontologie, Conservation International, DPZ, Durell, FAPBM, Guide ANG/FNG, Madagascar Biodiversity Partnership (MBP), Madagasikara Voakajy, Madagascar Fauna and Flora Group, MEDD/DAPT , Madagascar National Parks (MNP), Office National de l’Environnement (ONE), Parc Botanique et Zoologique de Tananarivo (PBZT), QMM, The Aspinall Foundation, Oniversite any Hamburg, Wildlife Conservation Society (WCS) ary Ambatovy Minerals S.A.

Tamin’ny taona 2016 no nanomboka ny tetikasa izay nahatsapanay ny maha-zava dehibe ny fampivondronana ny antontam-pahalalana rehetra misy momba ny varika ho an’ny olona rehetra.

Fantatra fa efa ho dimam-polo taona mahery no nisy fikarohana momba ny varika, kanefa mbola kely ny ezaka natao mba handravonana sy hizarana ireo fahalalana rehetra momba ny varika.

Mba ahafahan’ny olona rehetra na mpikaroka, na mpianatra na mpitantana momba ny fiarovana ary indrindra ny olo-tsotra eny ifotony mahazo ireo antontam-pahalalana ireo dia natsangana ny Madagascar Lemurs Portal. Ka rehefa izany, dia nahazo famatsiam-bola avy amin’ny JRS Biodiversity Foundation izahay anantanterahina ny asa lehibe miandry anay.

Ny tanjon’ny Madagascar Lemurs Portal

Ny vina anananay eo anivon’ny Madagascar Lemurs Portal dia ny ahatonga an’i Madagasikara ho firenena ho modely sy hitafarana ny fisian’ny fiarovana ny varika.

Ny tanjonay dia hampiromborobo ny fiarovana maharitra ireo varika amin’ny alalàn’ny fampandraisana andraikitra ireo mpiantsehatra sy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka mba hisian’ny fifanakalozana tena mahomby ireo fahalalana maro sy ireo trai-kefa efa ananan’ireo mpiantsehatra momba ny fiarovana eto Madagasikara.

Tarihin’ny vovonana mpanantanteraka na consortium d’execution na Komity mpanatanteraka : FAPBM (fitantanana), GERP (fikarohana), WCS (rafi-mpanaraha-maso sy teknika amin’ny alalàn’ny RebioMa). Ny tanjon’ny consortium dia ny hametraka paik’ady sy fomba fiasa mba hampaharitra ara-bola sy ara-pitantanana ny tetikasa.

Ireo zava-bita sy vokatra efa azo

Maro ireo vokatra efa azonay nanomboka ny taona 2016 ka hatramin’izao. Ny tena zava-dehibe ambara dia ny fisokafan’ny tranon-kala Madagascar Lemurs Portal azo tsidihan’ny olona rehetra tamin’ny taona 2018. Ary manentana  indrindra ny olo-tsotra eny ifotony, ny olona tsy miasa akaiky amin’ny lafin’ny fiarovana izahay hitsidika sy hampiasa ny tranon-kala fa marobe ireo toro-hay, antontam-pahalalana ary ady hevitra hifampizarana ao anatin’ny tranon-kala.

Fiaraha-miasa

Ny fahazoana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiantsehatra maro dia anisan’ny zava-bita manan-danja lehibe ho anay. Ny fidirana ho mpikambana ao anatin’ny GBIF sy ny LCN dia zava-dehibe tokoa. Ny fisian’ny “Comité de Pilotage” dia anisan’ny rafitra iray voalohany iankinan’ny fahombiazan’ny tetikasa. Ao ihany koa, ny fanaovan-tsonia ireo fiaraha-miasa miaraka amin’ireo ivo-toerana lehibe miisa 17. Ary farany, dia ny fiaraha-miasa akaiky amin’ireo manam-pahaizana manokana na experts miisa 55 izay manamarina ireo antontam-pahalalana zaraina eo amin’ny tranon-kala ary mandray anjara betsaka amin’ireo resaka sy ady hevitra ao amin’ny “forum en ligne”.

Ny toro-hay sy fitaovana

Ao anatin’ny tranon-kala, dia misy ireo toro-hay sy fitaovana toy ny :

  • Forum en ligne : izay ahafahana mandroso resaka, ady hevitra, tranga, zava-misy sy ny vaovao maro samihafa. Ny olona rehetra dia afaka miditra ao amin’ny rohy, miditra ho “mpikirakira” na “user” ka mandray anjara ao amin’ireo ady hevitra na lohahevitra rehetra mikasika ny varika sy ny tontolo iainana.
  • Ireo base de données des espèces na antontam-pahalalana momba ireo karazana varika ahitana ireo zavatra maro fantatra mombamomba ny varika rehetra.
  • Ny visualisation na fampahafantarana ny toerana misy ireo varika eo amin’ny sarin-tany.

Ny antontam-pahalalana na Données

Karazana varika miisa 110 no efa ananana ny “données” na ireo mombamomba azy ireo. 15 000 eo izao no “données d’occurrences” izany hoe ireo antontam-pahalalana manamarina ny toerana nahitana ny varika, efa azo avy tany amin’ny mpiara-miombon’antoka miisa 17, ary mihoatran’ny 300 ireo olona ifotony efa nomena fiofanana mikasika ny fitantanana “données” tany amin’ny faritra maro teto Madagasikara. Miisa 757 ireo antontam-baovao na documents momba ireo varika, izay voka-pikarohana zarain’ireo manam-pahaizana na experts. Maro ihany koa ireo sary sy horonan-tsary momba ny varika izay afaka jerena ao amin’ny tranon-kala.

Fampiofanana sy fidinana eny ifotony

Nisy ireo fampiofanana sy fiaraha-miasa niaraka tamin’ireo teknisianina miisa 320, ireo mpianatra sy ireo mpitantana ny ala-java-boahary arovana. Nisy ihany koa ny fandehanana sy fidinana eny ifotony nataonay hangalana ireo antontam-pahalalana mikasika ny varika sy ho fampahafantarana ny Madagascar Lemurs Portal. Nisy ohatra ny fandehanana an’ny Toamasina, Marojejy, Antrema, Morondava, Faritra Atsimo, Andapa, Ranomafana ary Mahajanga.

Ireo mpampiasa ny tranon-kala

Miisa 260 ireo mpampiasa na “utilisateurs” niditra ao amin’ny trano-kala. Ary mahery ny 1600o ireo efa nitsidika ny trano-kala.

Ny atrik’asa

Nanantanteraka atrik’asa izahay ny Alarobia 17 Jolay 2019 lasa teo tao amin’ny Madagascar Development Learning Center ao Anosy, Antananarivo. Ny tanjon’ny atrik’asa dia ny hanaovana jery todika, tomban’ezaka sy famolavolana ny tetika fanatsarana ny tetikasa sy ny tranon-kala. Nanasa ireo mpiara-mombon’antoka izahay ka eo amin’ny olona 40 no namaly ny antso. Nisy fandraisam-pitenenana avy amin’ireo comité de pilotage. Nisy ihany koa ny fampahafantarana ireo mpanatrika.

Ny tomban’ezaka sy ny sahan’asa ho fanatsarana ny fampiasana ny trano-kala moa no vokatra lehibe azo avy amin’ny atrik’asa izay isaorana ireo mpandray anjara rehetra.

 

 

 

 

 

Ny hafatra ho an’ny rehetra?

Tsotra ihany ny hafatra omenay ao amin’ny Madagascar Lemurs Portal dia ny hoe “Harenantsika ny varika, fantaro sy ianaro izy ireo, fa atao ahaona no hiarovana ny zavatra tsy fantatra? Rehefa fantatrao ny momban’ny varika, dia ho lasa tia azy ireo ianao ary rehefa tianao izy dia manana faniriana hiaro azy ianao ka ho saro-piaro amin’ny Harena ananan’ny Firenenao”.

Raha-te hahalala bebe kokoa mikasika ny Madagascar Lemurs Portal