Main Menu

Loharano ho fanabeazana

Ny boky sy loharano zaraina eto dia natokana ho an’ireo mpampianatra sy mpanentana eny anivon’ny sekoly ho fanabeazana ny ankizy ny lafin’ny tontolo iainana sy ny fiarovana ireo zava-boahary. Ny loharano maro samihafa dia azo ampiasaina ihany koa ho fanentanana ny mpiara-monina. Mazava ho azy, tafiditra ao anatin’ny fanabeazana ny fiarovana ny tontolo iainana ny fiarovana sy ny fitiavana ny varika. Zaraina ireto loharano ireto mba ahafahan’ny rehetra manovo fiofanana sy fahalalàna maimaim-poana mikasika ny fanabeazana ireo ankizy sy tanora eny an-tsekoly ny fiarovana ny tontolo iainana.

Tsy azo atao ny mamarotra ireto boky zaraina ireto ary iangaviana izay rehetra mampiasa izany hanambara sy hametraka mazava tsara ny loharano nahitana ny boky ary ny tompon’ny fanoratana sy ny famokarana izany.

Boky Fanabeazana sy Fanentanana

Boky fanabeazana novokarin’ny GERP

Ny GERP dia anisan’ny fikambanan’ny mpikaroka Malagasy momba ny varika manao ezaka manokana momba ny fanentanana sy fanabeazana manokana ny ankizy sy tanora ho tia sy hiaro ny varika ary ny tontolo iainany.

Indro boky iray natokana ho tari-dalàna ho an’ireo mpampianatra maniry hampianatra bebe kokoa mikasika ny tontolo iainana. Vakio eto.

Horonan-tsary ho fanabeazana

Ireo karazana horonan-tsary vokarina mitantara ireo harena voajanahary sy vakoka eto Madagasikara dia azo ampiasaina tsara ho fitaovana entina manabe sy manentana ny ankizy ary ny olon-dehibe.

Indro horonan-tsary mihetsika novokarin’ny GERP mitondra ny lohateny hoe “Alan’i Manombo: Reharehan’ny Agnambahy

 

LCN dia miara-miasa ihany koa amin’ireo olona maro miasa an-tsitrapo amin’ny famokarana horonan-tsary mihetsika ho fanentanana sy fanabeazana ny ankizy ho tia ka hiaro ny varika sy ny ala fonenany.

Indro horonan-tsary fohy momba ireo varika novokarin’ny “Eyes of The World Films” afaka ampiasaina tsara ho fanabeazana sy fanentanana ireo olona sy ankizy eny ifotony izy ireto.

 

Indro horonan-tsary fohy momba ireo babakoto novokarin’ny “Eyes of The World Films” afaka ampiasaina tsara ho fanabeazana sy fanentanana ireo olona sy ankizy eny ifotony izy ireto.