Main Menu

Ireo tangoronam-tendrombohitra MAKAY ( Le massif du Makay)

Kanto  tokoa raha i Madagasikara! Ary tsy manam-paharoa raha ny   tontolo misy eto amintsika no hasian-dresaka! andeha ange ho velabelarintsika ny momba  ireo tangoronan-tendrombohitra MAKAY e. Isaorana ety am-piandohana ny Nature Evolution  izay  nanome alàlàna am-pitiavana ny ampiasaina ireo sary nalain’izy ireo.

Manàna  drafitra’asa mahafinaritra ary tena mahaliana ihany koa ry zareo ho antsika Mpianatra sy tsirairay avy izay mba liana ny handeha  hizaha ny hatsaran’izany Makay izany. Tsidiho ange ny Fanamby (Challenge Makay) 2015-2016  sy ny Mpanatanterak’iraka an-tsitrapo (mission volontaire) 2015-2016  izay samy karankarain’ny Nature Evolution e!

 

Firy amintsika mamaky ireo ohatra no efa mba nandeha nitsidika izany atao hoe Makay izany? Ary mba manao ahoana moa izy izany? Aiza ho aiza no misy azy ary inona no mba hita any?

Sarotra aloha ny mandainga fa dia mbola vitsy dia vitsy tokoa ireo mahafantatra ny fisian’izany Makay izany. Mety efa betsaka ihany anefa ny naheno  fa mbola tsy nahita maso.  Ny tangoronam-tendrombohitra Makay dia hita  ao amin’ny faritry Menabe miampaka hatrany amin’ny faritra atsimo andrefana iny,  manana ny lanjany eo an’ivon’izao tontolo izao, satria laharana faha-11 izy amin’ny fiarovana ny fahamamaron’ny karazan’ireo zava-miaina eo amin’ny toerana iray (« biodiversité »). Mirefy 150km x 50 km izy ireo ary miloko ho mavo mitopy volon-davenona.

Niforona avy amin’ny ahalalàn’ny fikaohan’ny riaka ny tany izy ireo ary dia nanome endrika kanto hafa kely izay ahitana tany lemaka midadasika sy rerinrano mikoriana any an-tsefatsefan’ny tendrombohitra.

 

Ankoatr’izany dia ahitana karazana zava-maniry sy bibidia maro isan-karazany ihany koa any. Ary izany no anisany hilaina ny tokony hitandrovantsika azy ireny.  Raha atao bango tokana ny tokony hiarovana azy ireny dia  satria harena voajanahary izy ireny ary:

  • ny varika/ gidro dia tafiditra ao anatin’ny sokajin’ireo harena voajanahay miaina maneran-tany (patrimoine mondial vivant) ;
  • tombony amin’ny toe-karena koa izy amin’ny ahalàlan’ny fizahantany ;
  • ny fandalinana nazy ireny ihany koa dia mampitombo ny fahalalana momban’ny fahamamaron’ny karazan’ireo zava-miaina eo amin’ny toerana iray (« biodiversité »).

Liana ve ianao hoe inona no tokony ho atao hiarovana ny Makay sy ny zava-miaina misy ao aminy toy ireo gidro/varika ? Ary ahoana ny fomba  ahatongavana any Makay?

Ny fomba voalohany ahafahana miaro ny varika/gidro sy ireo zava-manan’aina hafa maro isan-karazany , dia ny fiarovana  ny fonenany izay matetika dia tafiditra ao amin’ny antsoina hoe “Système d’Aire Protégée de Madagascar (SAPM)” izany hoe toerana arovana ary tokony ho anisan’izany ny Makay. Tsy vitan’ny fiampidirana azy ho ao amin’ny SAPM anefa ny fiarovana ny Makay fa mila tsara tantana sy mila loharanon-karena (ressources) ihany koa toy ny fizahan-tany ohatra.. Mba ho tanteraka izany dia hoe mila paik’ady hikojana ny toerana. Inona ny vahaolana ?  Hatao toerana voaro tantanan’ny fanjakana ve sa ny tsy miankina ? Rehefa milamina ny drafitra  sy ny paik’ady mba hisian’ny filaminana amin’ny fiarahamonina sy ny tontolo iainana dia tokony ho mety dahalo. Ny tsy azo hadino kosa anefa, na inona na inona fandehany rehefa ho lasa toerana voatokana vaovao ny Makay, dia mila  manao fampifanerana ny fampiasam-bola amin’ny tontolo iainana  (Mise en Compatibilité des Investissement avec l’Environnement) ary tsy latsa-danja amin’izany ny  sosialy, ny fanka-kevim-bahoaka (audience publique)  sy ny fampifanarahana ny fiarovana ny tontolo iaianana sy anto-piveloman’ny mponina eny antoerana.

Itsy etsy ambony itsy no anisan’ny làlana mankany! Mahasondriana ery!  Mandeha amin’ny làlam-pirenena  RN 35 iny ianao dia eny Malaimbady no  mivily. Misy fidirana anankiroa ny mankany : Malaimbady na  Beroroha ihany koa izay amoron’ny renirano Mangoky. Dian-tongotra tsy misy ohatr’izany ny any ary izay no antony hilaina mpitondra entana sy mpitari-dia mba hialana amin’yn mety ho fahaverezana.   Mandritra ny 9 andro eo  ny famakivakiana an’i  Makay ary mahatratra hatramin’ny 7-8 ora ny dia tongotra  mila hatao isan’andro ankoatry ny andro iray  manontolo izay eny ambonin’ny lakana eny amin’ny reniranon’i Mangoky.  Tafavoaka any  amin’ny  tangoronam-tendrobohitra iray hafa eny Isalo  ny  dia izay any amin’ny làlàm-pirenena RN7. Mila fiomana betsaka ny mankany ary mila fiara tsy mataho-dalàna (4X4) amin’ireo faritra tonga ny fiara. Raha te ho any ianao dia mila manana fotoana malalaka ihany koa , eo amin’ny tapa-bolana eo.  Koa ndao ary e! Iza no sahy?!