Resa-dresaka nifanaovana tamin’i Pr Jonah Ratsimbazafy.

Pr Jonah Ratsimbazafy:  Tena iaraha-mahalala fa olona azo ato hoe malaza ianao raha ny resaka fiarovana ireny Gidro/varika ireny, mba tantarao hoe tompoko ny nahatonga anao hiompana manokana amin’ny fianarana azy ireny?

jonah-bio

Jonah Ratzimbazafy

Ny nahatonga aho ho lasa mpikaroka sy mpiaro ny varika dia noho izao antony izao. Efa hatramin’ny fahazana dia efa nitsiry tao anatin’ny tena ny fitiavana biby. Kanefa raha nentin’ny raiamandreny nitsidika ny parc tao Tsimbazaza hijery gidro dia tsy mbola nieritreritra velively fa hiasa amin’ity sehatra ity. Tany an-tsekoly rahateo moa dia tsy nianatra momba ny biby zana-tany rahateo izahay fa ny biby misy any ivelany no nianarana tany (jirafy, liona, rajako, sns.). Teny amin’ny ioniversite dia nisafidy ny Departement de Paleontologie et Amthropologie Biologique ny tenako. Tao no tena nandinika lalina momba ny primates ka tafiditra tao anatin’izany ny varika. Rehefa nanao fikarohana momba ireo tahirin-tany (fossiles) niaraka tamin’ireo mpikaroka vahiny aho ka nandalo ala dia nahita ireo varika izay toa miantsoantso mila vonjy. Fandrika maro no hitako ary ala mirehitra. Nisy aza varika mbola tavela ka maty teo amin’ireny fandrika ireny. Teo no nahatonga ahy hanapa-kevitra ny amin’ny hoe: aleo ireto varika ankehitriny no avotana fa ireo efa ao anaty tany voatahiry afaka miandry. Koa dia nanao ny DEA sy Doctorat  momba ny varika aho.

Rehefa nianatra tany USA moa dia nifanerasera tamin’ireo mpikaroka sy mpiaro ny primates koa ka tamin’ny alalan’ireny dia nitombo ny fahalalana sy ny fitiavana ireo gidro/varika ireo ary nitohy ankehitriny izany.

Ny asa fiarvana ny gidro/varika dia tsy vitan’olon-tokana fa asa hifarimbon’ny maro. Koa rehefa tafalentika lalina tato am-po ilay fitiavana ny hianatra sy hampita izay traikefa amin’ny mpianatra ary ny fiarovana ireo harena mampiavaka an’I Madagasikara dia ny varika, dia tsy hay nosakanana intsony fa fitavana ny hiaro ireo biby ireo satria ny 94% n’izy ireo diaefa atahorana ho lany tamingana.

 

Ianao ihany koa moa dia anisan’ny nanampy tamin’ny fanoratana sy fanatontosana ilay  boky toro làlana momba ny fiarovana ny gidro/varika? Raha hafohizina fohifohy dia inona marina moa ny ao anatin’ilay boky?

 Io boky io dia nosoratana mba hafantarana ireo karazany izay tena atahorana ho ringana    sy ny toerana fonenana misy ireo varika ireo. Paik’ady fiarovana no voarakitra ao anatin’io boky io izay ho atao amin’ny faritra 30 mahery. Heverina fa ho tanterahina mandritry ny 3 taona izany paik’ady izany (2013 – 2016). Tafiditra ao anatin’ny paik’ady ny fantsarana ny velon-tenan’ny mponina mivelona manodidina ireny faritra misy ireo harena varika mampiavaka antsika. Ohatra amin’izany ny fanatsarana ny fambolena sy fiompiana, ny fampiroboroboana ny fizahantany, ny fikarohana, ny fampitomboana ny valanjavaboary, ny fambolena hazo, ary koa ny fanatsarana ny fiompiana ireo biby amin’ireo zoos raha toa ka izay no fomba afahana miaro ireo karazam-barika tena atahorana ho lany tamingana.

Vola $7.6 tapitrisa no heverina anatanterahina izany paik’ady izany.

 

Ankoatr’izany dia anisan’ny mpikarakarara ilay “madagascar lemur festival” ihany koa ny tenanao ary tamin’ny volana oktobra lasa teo raha tsy diso aho!  Inona ny tanjonareo tamin’izy iny dia oviana ndray ny manaraka?

 

Sambany teo amin’ny tantara no nisy iny hetsika voalohany ka nanaovana ny hetska Dihin’ny varika maneran-tany iny tamin’ny vola oktobra (25 – 31) 2015 ka izao tontolo izao no naira-nankalaza izay. Ny tanjona tao anatin’izany dia ny hampahafantarana ny olona rehetra (ny Malagasy indrindra indrindra) ny maha-zava-dehibe tokony hiarovana ireo varika ireo satria efa atahorana ho lany tamingana ny maro amin’ireo harena mampiavaka an’i Madagasikara ireo. Manana karazana varika 106 i Madagasikara izay mandrafitra ny 20% n’ny primates misy eran-tany kanefa 0,4% monja i Madagasikara raha ny habeny eto amin’ny planeta tany. Ireo olon-tsotra mihintsy no tanjona tamin’izany fa tsy nofaritana ho an’ny sokajin’ny mpikaroka ny ireo monina manamorona ny ala sy valan-javaboary ihany. Izay no nahatonga ny loha-hevitra novohizina tamin’izany hoe: “Varika; Namana sy harem-pirenena fa tsy…. Biby fiompy an-trano na sakafo”. Anisan’ny tanjona tamin’iny fankalazana iny koa ny fampiroboroboana ny fizahantany eto Madagasikara. Ary ny antony nandraisan’ireo firenena hafa dia ho fandraisany anjara amin’ny fampahafantarana ireo varika ireo ka ahatongavan’ny mpizahantany aty Madagasikara sy ho fandraisany anjara koa amin’ny famoriana io vola $7,6 tapitrisa io. Maro ireo Havana avy tany dilambato niaraka nifarimbona tami’iny fankalazana iny na teo amin’ny ara-pitaovana na ara-bola indrindra indrindra.

Maro ny fianakaviana mivelona amin’ny sehatra fizahantany. Koa ny fisian’ireo biby varika ireo dia tokony hampiditra vola maro ho an’i Madagasikara ho fanatsarana ny farim-piainan’ny mponina Malagasy.

Heverina fa ho atao isan-taona nyfankalazana ny Dihin’ny varika maneran-tany. Koa amin’ity taona ity dia ho atao amin’ny faran’ny volana oktobra toy ny tamin’ny taona lasa ihany izany. Dia manentana sahady ny rehetra hiomana ny hankalaza ny Dihin’ny varika manera-tany 2015.

Fanontaniana manitikitika ny be sy ny maro ilay hoe fa maninona ny gidro/varika no arovanareo fa  maninona no tsy manampy ny olona mahantra ohatra? Inona ny havalinao izay ho an’ireo mametram-panontaniana?

Manana asa tsy vitan’ny olombelona ireny varika ireny ao anatin’io ala fonefany io. Ohatra ny fampihaonana ny vony lahy sy vavy (pollinisation) y ny fanaparitahana ny voankazo (dispersion). Koa manampy ny fitohizan’ny fampitaina ny karazan-kazo tsy ho lany taranaka. Izany hoe misy asa goavana sahaniny ireo gidro ireo ao anaty ala fonenany.

Heverina ho toy ny fampilazana (indicateurs) ny fahasalamana na faharatsian’ilay tontolo misy azy ny varika. Koa rehefa tsy ao intsony ireo dia sarotra ny hamantarana izany.

Ireo vrika ireo no manintona ny mpizahantany hitsidika an’i Madagasikara. Midika izany fa mampiditra vola vahiny ho an’ny firenena ireo varika ireo. Koa tsy ny fihazana azy na fanimbana ny fonenany no tokony ho atao fa ny fiarovana azy ireo.

 

Raha afaka manome torohevitra  vitsivitsy ho an’ireo tanora Malagasy maniry ny hiompana manokana amin’ny fianarana momba ny gidro/ variaka ianao?

Harena mampiavaka an’i Madagasikara ny varika. Maro anefa no tsy mbola fantatra momba ny fomba fiainan’ny sasany amin’izy ireo, indrindra ho an’ireo karazany mandeha min’ny alina. Koa miantso ireo tanora maniry ny hiaro ireo biby mampiavaka an’i Madagasikara ireo aho hisafidy ny sehatra fikarohana momba ny primates. Afaka manantona ny tenako n any GERP rah ate-ahafantatra bebe kokoa ny varika.

 

Aminao tompoko, inona no tokony hataon’ny Malagasy tsivakivolo mba hiarovana  ny Gidro/varika?

Hianaro ny fiainan’ny varika, Tiavo ary Arovy satria harena mampiavaka antsika Malagasy. Fadio ny mamono azy ireo sy manimba ny ala sy zetra fonenany. Azo atao biby fiompy any antrano ny varika fa avelao izy hiaina any amin’ny fonenaa natioraly tokony hisy azy. Ampianaro ho tia azy ireo ny ankizy, ny tanora ary ny lehibe mba ho tia azy ireo. Koa ny Malagasy rehetra no hanao izany. Faizo izay minia mandika lalana mamono na mitaiza varika fa mamono ny firenena izany.

 

Inona avy ireo fahatsiarovana manokana nahafinaritra na nanohana anao tamin’ny fianaranao ireny gidro/varika  ireny?

 Nisy fahatsiarovana ratsy dia ny nahita ireo varika tratry ny fandrika dia maty, novonoin’ny mpihaza ka nivoa-dra be nefa tsy mbola maty ary ireo tao anaty garaba azon’ny mpihaza izay entiny ho vonoina sy hamidy.

Ny fahatsiarovana tsara kosa dia isaky ny mahita zanaka varika mitsambikimbikina izay tena mahafatifaty ahy be mihitsy.

 

Inona ny karazana gidro/varika tianao indrindra? satria nahoana?

Ny varijatsy na varikanda (Varecia variegata) dia ilay varika miloko fotsy sy maintsy hita any amin’ny ala atsinanana. Io no nanaovako ny these de Doctorat ko ary hitako matetika sy haiku indrindra. Io no mpihinana voankazo be indrindra satria ny 80% n’ny sakafony dia voankazo, izany hoe anisan’ireo manaparitaka be indrindra voankazo…. Saingy tiako daholo fa toy ny zanako ny varika rehetra e.

 

Misy hafatra tianao hatsipy amin’ny mpamaky ve?

Efa betsaka izay voalaza izay fa teny fohy no hampitaiko amintsika dia ny hoe: manana adidy sy andraikitra lehibe sy masina ny Malagasy rehetra amin’ny fiarovana ny varika na zaza na tanora na efa lehibe ianao. Na lahy na vavy ary n’inona n’inona farim-piainanao na antokom-pinoanao dia tsarovy fa tompony ianao ka aoka ho sarotiny amin’ny fiarovana ireo gidro/varika ireo mba ho hitan’ny taranantsika izay mba te-ahita izany ko rahampitso sy afaky ny ampitso satria olon-kendry sy tia tanindrazana ianao.