Main Menu

Iray volan’ny mpikambana LCN : Madagasikara Voakajy

 Ny Lemur Conservation Network dia manokana iray volana anehoana ireo asan’ireo mpikambana ato amin’ny LCN ka omena toerana manokana izy ireo, ahafahan’izy ireo manazava amintsika ny fomba ahafahana manampy azy ireo, amin’ireo ady ataony ho fiarovana ny varika. Ity volana Jona 2019 ity dia natokana ho an’ny Madagasikara Voakajy. Ao anatin’ity bilaogy ity, dia niresaka tamin’i Rtoa Jacyntha Ambinintsoa izahay, izay Mpandrindra ireo tetikasa eo anivon’ny ONG Madagasikara Voakajy  izay nitantara taminay ireo asa ataon’ny ONG Madagasikara Voakajy ary ny fomba ahafahantsika manampy azy. 

 

Mba zarao aminay ny tantara sy ny mombamomban’ny fikambanana

Madagasikara voakajy (MV) dia fikambanana Malagasy miasa ho an’ny fiarovana ireo zava manan’aina tsy hita raha tsy eto amin’ny nosintsika ary ahiana ho lany tamingana, izany dia mba hanampiana sy hampivoarana ny fiveloman’ireo Malagasy eny ifotony. Niforona tamin’ny taona 2005 ny fikambanana Madagasikara Voakajy. Ary tanora mpikaroka Malagasy no namorona azy. Samy tia fikarohana mikasika ireo fanihy na ramanavy izy ireo ary tamin’izany dia tetikasa momba ireo ramanavy ihany no nisy fa ankehitriny kosa dia mahery ny 20 ny tetikasa ao amin’i MV.

Aiza no misy an’i Madagasikara Voakajy sy ireo faritra iasana?

Ny foiben’i MV dia ao Antananarivo fa manana toeram-piasana telo any amin’ny faritra telo eto Madagasikara (Diana, Alaotra Mangoro, Menabe) ihany koa i MV ary miasa amin’ny distrika miisa 11 ao anatin’ny faritra 5 eto Madagasikara.

Miasa amin’ireo biby mitera-batana, biby mandady, ireo sahona, trondo ary vorona izahay ary manana tetikasa ihany koa momba ny zava-maniry (baobab).

 

Inona avy ireo varika iasana?

Miasa amin’ireo karazana varika 9 izahay : 5 ireo varika mivoaka amin’ny alina dia ireo Avahy (Avahi laniger), Hay-hay (Daubentonia madagascariensis), Tsidy an’i Goodman (Microcebus lehilahytsara), Hataka (Lepilemus mustelinus), Tsitsihy (Cheirogaleus major) ary 4 mivoaka amin’ny andro dia ireo babakoto (Indri indri), Bokombolo (Hapalemur griseus), ireo Sifaka (Propithecus diadema) ary Komba mainty (Eulemur fulvus).

 

Inona avy ireo asa atao izay manampy amin’ny fiarovana ireo varika sy ireo asa hafa?

Fanampin’ireo asa fikarohana sy ireo tetikasa, dia manohana ireo tanora eny ifotony ihany koa izahay mba ahatonga azy ho ambasadaorin’ny fiarovana ny varika.

Tetikasa vatsian’ny SOS io tetikasa io ary ny tanjona dia ny hampiofana ireo tanora amin’ny teknikam-pambolena vaovao ahatonga azy ireo ho modely alain-tahak’ireo fiaraha-monina ary ho tena ambasadaorin’ny fiarovana ny varika tokoa izy ireo.

Inona avy ireo zava-bita vao haingana?

Tamin’ny volana septambra 2017, dia nahazo ny sarin’ireo hay hay tamin’ny faka-tsary fandrika (camera trap) tao amin’ny ala arovana Mangabe rehefa napetraka efa nandritra ny 3 taona io faka-tsary io. Misy finoana mantsy manodidiana ireo Hay hay ireo ao amin’ny faritra iasanay. Noho izany, dia tsy nilaza taminay mihitsy ireo mpiasa tany Ifotony raha nahita ireo biby ireo nandritra ny fanaraha-maso nataony satria ny finoany dia milaza fa raha sendra mahita Hay Hay izy ireo dia fambara ratsy sy ratsy vintana izy.

Tamin’ny volana Janoary 2018, dia voamarina ny fisian’ny Hataka (Lepilemur mustelinus) ao anatin’ny ala arovana iasanay ary nahzo sary tsara azy izahay nandritra ny fikarohana natao tamin’ireo varika tao amin’ny faritra avaratra ny faritra arovana Mangabe.

 

Inona avy kosa ireo tanjona sy asa miandry amin’ny ho avy?

Ny asa miandry anay amin’ny ho avy dia ny fahazoana ireo “base de données” momba ireo varika  rehetra iasanay ahafahanay manaraha-maso ny fahaverezan’ny toeram-ponenany. Amin’izay fotoana izay, dia ho ahitana vokatra tokoa ireo fanapahan-kevitra raisina mikasika ny fiarovana ao amin’ny faritra arovana ao Mangabe.

Mandray olona hiasa an-tsitrapo ve i MV?

Tsy mbola mandry olona hiasa an-tsitrapo izahay fa raha misy izany any aoriana dia hampahafantatra izany eo amin’ny tranon-kalanay izahay.

Inona no asa ilànareo famatsiana amin’izao fotoana izao?

Amin’izao fotoana izao, dia mila famatsiana amin’ny fanaraha-maso ireo varika izahay mba ahitana ny fivoaran’ireo varika ireo amin’ny alalàn’ny fampiasana ny “radio-tracking”. Amin’izany, dia mila “radio (VHF) collar” izahay ho an’ny varika iray ao anaty tarika tsirairay. Amin’zay fotoana izay, dia afaka handray fanapahan-kevitra amin’ny fiarovana tena ahitam-bokatra izahay ary hanana tarehy marika maro mikasika ny varika ao amin’ny faritra arovana hiasan’i MV.

 

,