Main Menu

Fikambanana Ary Saina : Fikambanana mpikaroka Malagasy mivondrona hampiroborobo ny fikarohana siantifika ho fitaovana entina miaro sy mitantana ny harena voajanahary

Mahafaly anay eto amin’ny Lemur Conservation Network no mampahafantatra ny fikambanana Ary Saina ato anatin’ity bilaogy ity. Ny fikambanana Ary Saina dia fikambanana mpikaroka Malagasy  ka araho ao anatin’ity bilaogy ity ny tanjona sy ny asan’ny fikambanana. Isaorana betsaka ny ekipa izay tarihin’i Dr Onja Razafindratsima, nanoratra sy nizara ireo sary mandravaka izao bilaogy izao.

 

 

Mba zarao aminay ny tantara sy ny mombamomban’ny fikambanana Ary Saina 

Ary Saina dia fikambanana mpikaroka Malagasy, mivondrona mba hampiroborobo ny fikarohana siantifika sy mampiely/mizara fahalalana mba hahafahana miaro ireo harena voajanahary mampiavaka an’i Madagasikara. Malagasy dimy mitovy foto-kevitra sy vina no nanapa-kevitra ny hanorina ity fikambanana ity, izay nitsangana ara-dalana tamin’ny 27 Septambra 2017. Ankehitriny dia miisa valo ny mpikambana.

Inona no tena antony nananganana ary ny tanjona ny fikambanana?

Ny fikambanana Ary Saina dia mikendry ny:

  • Hampiroborobo ny fikarohana haiaina siantifika eto Madagasikara
  • Hanatsara sy hanamafy ny fahaiza-manaon’ireo siantifika Malagasy
  • Hampiasa ny vokam-pikarohana siantifika ho fototra fanatsarana ny fikajiana sy fitantanana lovainjafy ny harena voajanahary eto Madagasikara

Aiza no misy ny foiben’ny fikambanana ary aiza avy eto Madagasikara no toerana iasàna? 

Ao Antananarivo no foibe ahitana ny fikambanana, fa amin’ny alalan’ny mailaka (arysainamadagascar@gmail.com) sy ny tambazotra sosialy Facebook no tena ahazoana sy ifandraisana aminay. Miasa manerana an’i Madagasikara ny mpikambana ao amin’i Ary Saina.

 Iza avy ireo fikambanana na ivo-toerana miara-miasa?

Ny « Mention Zoologie et Biodersité Animale » (MZBA) ao amin’ny Oniversite an’Antananarivo no miara-miasa aminay akaiky. Miara-miasa amin’ny Association Mitsinjo ihany koa izahay amin’ny fanantanterahana ny asa ataonay amin’ny alan’i Ihofa ao amin’ny faritra Andasibe. Miara-miasa amin’ireo fikambanana Vondron’Olona Ifotony (VOI) any amin’ny toerana iasanay ihany koa izahay.

Inona avy ireo asa atao manampy eo amin’ny lafin’ny fiarovana ny varika sy/na tontolo iainana? Ary inona ihany koa ireo sehatra hafa iandraiketan’ny fikambanana?

Ireto avy ny asa ataonay eo amin’ny lafin’ny fiarovana ny harena voajanahary, tafiditra ao anatin’izany ny varika sy ny tontolony.

Fampiofanana sy fanabeazana:

  • Mampiofana mpianatra amin’ny oniversite sy ny mponina eny ambanivohitra amin’ireo toerana iasan’ny fikambanana momba ny teknika samihafa mahakasika ny fikarohana sy fanangonana hay toro momba ny harena voajanahary
  • Mizara ny vokam-pikarohana siantifika amin’ny daholobe amin’ny alalan’ny tambazotra sosialy sy fanentanana ifotony
  • Mikarakara atrikasa maro isan-karazany ho an’ny mpianatra amin’ny oniveriste
  • Mamatsy ara-pitaovana ny sekoly any ambanivohitra iasana
  • Manome fampianarana fototra ho an’ny zaza sy ny ankizy any ambanivohitra
  • Manampy ny tanora eny ambanivohitra koa hivelatra amin’ny fanomezana azy sehatra hialana voly sy fampianarana azy ireo teny vahiny

Vero Narindra mampanao fiofanana “Seed Dispersal” Workshop Andasibe Jolay 2018

Fiaraha-miasa amin’ny mpikaroka hafa

  • Manampy ny mpikaroka amin’ny fikarakarana fahazoan-dalana hanao fikarohana amin’ny toerana iasanay sy amin’ny fandrindrana ny asa fikarohana ataony
  • Mizara ny voka-pikarohana ataonay mahakasika ireo toerana iasanay

Fikarohana

  • Manao fikarohana siantifika mifantoka amin’ny fiarovana ny harena voajanahary Malagasy
  • Mifantoka amin’ny fifandraisan’ny biby sy ny zava-maniry, ny biby samy biby ary ny aretina mety ho entin’izy ireo ny fikarohana ataon’ny mpikambana

Inona  avy ireo zava-bita azo tanisaina?

  • Fampiofanana sy fifanakalozana eo amin’ny fanomanana, fikirakirana ary famoahana an-tsary ny voka-pikarohana siantifika amin’ny alalan’ny “logiciel R”. Natao tamin’ny vola Aogositra 2019 ny andiany voalohany tamin’ izy io.

Fampiofanana momba ny logiciel R – Aogositra 2019

  • Fampiofanana momba ireo fomba sy teknika entina manangona ireo hay toro momba ny biby sy zavamaniry anaty ala, indrindra ny varika sy ny tontolony. Izy ity dia fiaraha-miasa niaraka tamin’ny Association for Tropical Biology and Conservation, natao tamin’ny Jolay 2019 tao Andasibe ary notontosaina niaraka tamin’ny MZBA sy Association Mitsinjo.
  • Hiakan’ny Ala”: Hetsika nifandrombonana tamin’ny mponina mipetraka akaikin’ny alan’i Ihofa any amin’ny faritra atsinanan’i Madagasikara, mba ho fampahafantarana bebe kokoa momba ny harena voajanahary ary ny tokony hijariana sy hiarovana izany. Tamin’ny volana Novambra 2018 no nanaovana ny andiany voalohany.
  • Atrikasa mahakasika ny Fanaparitahana ny Vihy “Seed Dispersal in the Anthopocene” tamin’ny volana Jolay 2018 tany Andasibe, natao ho an’ny mpianatra sy mpikaroka ary teknisianina izay liana amin’io sehatra io. Niarahana nanatontosa tamin’ny MZBA sy Association Mitsinjo.

Ireo nandray anjara rehetra tamin’ny workshop “Seed dispersal in the Anthropocene”

 

  • Fizarana amin’ny alalan’ny tambazotra sosialy Facebook ho fanamarihana ny andro manerantany ho an’ny harena voajanahary sy ny andro manerantany ho an’ny tontolo iainana : fahalalana ankapobeny mahakasika ny karazana zavamananaina misy eto Madagasikara sy ny anjara toerana eo amin’ny tontolo iainantsika olombelona isan’andro nanomboka ny volana May 2020.
  • Fampianarana manisa sy manoratra ho an’ireo ankizy kely any amin’ny faritry ny alan’i Ihofa, sy famatsiana fitaovam-pampianarana ho an’ny sekoly vao natsangan’ny fokonolona. Fanampiana ihany koa ireo tanora amin’ny sehatra maro samihafa, toy ny fianarana teny anglisy sy frantsay ary fampahafantarana ny solosaina amin’ny ankapobeny.

Rindra mampianatra ankizy kely tany Ihofa tamin’ny fotoana mbola tsy nampisy ny sekoly- Novambra 2018

Inona avy kosa ireo tanjona sy asa miandry amin’ny ho avy? 

  • Hikarakaka ny Hiakan’ny Ala andiany faharoa
  • Hanatanteraka fiofanana samihafa ho an’ny mpianatra eny anivon’ny Oniversite
  • Hanampy amin’ny fampivelarana ny mponina any amin’ny ala iasana
  • Hampiatra ireo voka-pikarohana vita teo aloha eny amin’ny toerana iasanay
  • Hiezaka hizara fahalalana amin’ny fomba tsotra mba hifandraisan’ny siansa sy ny fiainana andavan’andro

Inona avy ireo fepetra takiana raha te-hiditra ho mpikambana?

Izay Malagasy manohana ny vina, foto-pisiana ary ny tanjon’ny fikambanana dia afaka manao fangatahana hiditra ho mpikambana ato amin’i Ary Saina avokoa. Mila olona iray farafahakeliny efa mpikambana anefa manohana ilay fangatahana.

Indray mandeha isan-taona izahay no mandray mpikambana vaovao. Mandefa rohy eo amin’ny tambazotra sosialy Facebook sy ny tranokala izahay rehefa tonga izay fotoana izay.

Inona avy ireo asa ilàna fiaraha-miasa sy famatsiana?

Ny tena ilanay famantsiam-bola amin’izao dia fanampiana amin’ny fananganana sekoly ho an’ny ankizy any Ihofa. Adiny valo miala amin’ny tanàna eo no misy sekoly akaiky indrindra teo aloha; noho izany, vitsy amin’ireo ankizy no afaka mandeha mamonjy sekoly.

Nanapa-kevitra ireo mponina eo an-toerana ny hanangana sekoly tsotsotra mba hahafahan’izy ireo mianatra na dia ny mianatra manoratra abidy sy manisa fotsiny aza. Tsy ampy anefa ny fitaovana misy ao aminy ary mbola tsy zarizary ilay sekoly satria na dia ny dabilio ampiasaina ary mbola tsy zarizary. Mila fanohanana ihany koa arak’izany ireo olona manolo-tena ny hampianatra any, satria olona milatsaka an-tsitra-po izy mirahavavy mpampianatra, ka izay enti-manana kely misy avy amin’ny ray aman-dreny no ivelomany.

  Inona no hafatra ho an’ny mpamaky?

Misokatra amin’ny fiaraha-miasa rehetra izahay, na eo amin’ny sehatry ny fikarohana na ny fampiofanana na ny fanabeazana, ka manentana anao hifandray amin’ny alalan’ny mailaka (arysainamadagascar@gmail.com) raha te hiara-hiasa aminay.

Raha te-hahalala bebe kokoa sy te-hifandray amin’ny Fikambanana Ary Saina

,