Main Menu

Fankalazana ny Hetsika maneran-tany “Festival mondial des lémuriens” 2015

Niditra tamin’ny andiany faharoa ny fankalazana ny hetsika maneran-tany momba ny varika izay nokarakarain’ny GERP Mada. Faritra maromaro no nandray anjara teto Madagasikara ka anisan’izany ny teto Antananarivo ny 30 sy ny 31 oktobra lasa teo. Ny teny filamatra tamin’ity andiany faharoa ity di any hoe “Varika, Harem-pirenena, Namana tokony harovana”. Fikambanana avy amin’ny sehatra tsy miankina sy mpianatra avy amin’ny ambaratonga fototra tsy miankina amin’ny fanjakana ary avy amin’ny fanjakana no nandray anjara. Naharitra roa andro ny fankalazana ka ny valanjavaboaharin’ny Tsimbazaza sy ny kianjan’Ambohijatovo no nandray ny hetsika rehetra.

IMAG0147IMAG0135IMAG0159

Niainga teo amin’ny manoloana ny kianjaben’ ny Mahamasina ny diabe (carnival) ny andro voalohany ary nihazo an’i Tsimbazaza. Samy nanao fihetsika sy fomba fiakanjo mitovy amin’ny varika moa ny rehetra ka rehefa vonona dia roso ny diabe narahin’ireo polisy kaominaly nitandro ny filaminana sy nandamina ny fifamoivohizana ary ny avy ao amin’ny croix rouge Malagasy izay niantoka ny loza mety hitranga nandritra ny fankalazana. Teny an-dalana di any fiara nisy fanamafisam-peo efa nomanin’ny mpikarakara no nitarika narahina fanentanana maro isan-karazany sy ny fandefasana ny hira faneva ary nofaranan’ny mpitsoka mozika avy amin’ny mpanao hira gasy moa izany. Rehefa tonga tao Tsimbazaza indray dia nonomboka avy hatrany ny seho sy fanentanana niarahana tamin’ny mpanao hira gasy sy ireo ankizy nandray anjara tamin’ny diabe. Nisy koa ny fandraisam-pitenenana nataon’ireo tompon’andraikitra izay tsy nitsitsy fitenenana nanoloana ireo tompon’andraikim-panjakana tonga nanotrona ny lanonana. Taorian’izay dia nisy ny fiarahana manala hetaheta kely mialoha ny fitsidihana ny valanjavaboahary.

IMAG0179IMAG0205IMAG0213

Ny tolak’andro moa dia adi-hevitra sy famelabelara-kevitra momba ny varika sy ny tontolo manodidina azy no natao tao amin’ny tranon’ny akademia Malagasy.

Ny andro faharoa dia niainga teo ambon’Ambohijatovo ny diabe niarahana tamin’ireo ankizy kely avy amin’ny sekoly ambaratonga fototra niditra ny kianja’Ambohijatovo. Ny mpitsoka mozika avy amin’ny mpanao hira gasy no nitarika ny lalao sy nanafana ny lanonana. Kilalao no natao nampifaliana ireo ankizy tonga tao ary nahazo loka toy ny fitaovam-pianarana ny tsirairay ary koa ilay postcard avy amin’ny Lemur Conservation Network izay tena nahafaly ireo ankizy noho ny hatsarany.

IMAG0216IMAG0147IMAG0030

Mbola hisy ny andiany manaraka ary dia hisaorana ny mpikarakara fa kosa dia manentana ny tsirairay mba hikajy ny tontolo iainana mba ho antoky ny ho avy indrindra indrindra ny fiarovana ny varika izay tsy misy afa tsy aty Madagasikara irery ihany. Mampidibola vahiny sy mamelona olona maro izy ireny ka izany no anentanananay ny tsirairay mba hiaro sy hampafantatra ny maha zava-dehibe ny fisiany izy ireny. Koa mba tsy ho lovan-tsofina sisa na koa amin’ny alalan’ny sary na film sisa no ahafantaran’ny ankizy any aoriana any ny fisian’ny gidro dia andao ho namanay hiaro azy ireny ary koa mba tsy hananantsika tsiny.