Main Menu

ExplorerHome Madagascar: Ny risi-po sy ny fitiavana ny taranja STEM

Vahinin’ny bilaogy androany i Dr Tsiory Andrianavalona sy Dr Ramihangihajason Tolotra Niaina, mpivady sy mpiara-miasa niara namorona ny ExplorerHome Madagascar Science Center. Andao arahintsika ato anatin’ity bilaogy ity ny risim-pon’izy ireo sy fitiavan’izy ireo ny sehatra STEM. Ho fantarintsika ihany koa ny fomba entiny hampiroborobo izany eto Madagasikara amin’ny alalàn’ny tetikasa fanabeazana, ny fiaraha-miasa ary ny fanentanana ny Malagasy. 

Ny tanjon’ny ExplorerHome Madagascar

  • Hampitsiry ny fitiavana karokaroka sy ny fitiavana ny taranja STEM
  • Hampahafantatra ny olona ny momba ny fikarohana siantifika eto Madagasikara
  • Hanolotra hetsika fanabezana sy fialam-boly ho an’ireo mpianatra izay afaka hanampy azy ireo hahazo trai-kefa momban’ireo taranja STEM no sady miala voly.

Ny tantara niantobohan’ny ExplorerHome

Ireo mpiara-namorona

Rehefa tonga tamin’ny taona fahatelo teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo ka nanohy tamin’ny sampam-pampianarana “Paléontologie » i Dr Tsiory Andrianavalona sy Dr Ramihangihajason Tolotra Niaina dia nahatsapa izy ireo fa tokony atao izay ahazoan’ny olona io io taranja siansa iray io, mba ho azon’ny olona ny antom-pisiana ary ho tian’ny olona ihany koa.

Mpiara-namorona ny ExplorerHome Madagascar

Ny fanantenana tao aminay dia ny hizara ny fitiavany ny siansa sy ny taranja STEM ho an’ny olon-drehetra fa indrindra ny mpianatra sy ny tanora.

Hoy i Tsiory

Ireo fianakavianay dia tena gaga sy mahita hoe olona hafahafa izahay satria mifantoka amin’ny fianarana ny biby sy ny zava-maniry efa tsy misy intsony. Izany no nahatonga anay nahita hevitra hamorona ny ExplorerHome. Niforona tamin’ny taona 2018 ny ExplorerHome ary ankehitriny dia ONG mistangana ara-dalàna izy io.

Maro ny asan’ireo mpikaroka siantifika izay tsy fantatry ny sarambabem-bahoaka, ary tsy ampy ahafantarana ny siansa ny famakiana fotsiny ny boky siantifika. Ilaina ny manakaiky sy mahita ny asan’ireo mpikaroka mba tena hisian’ny vokatra tsara mba hanana traikefa sy hiovana fomba fijery.

Tena tianay ity tetikasa ity indrindra moa fa mahita ny mason’ireo mpianatra mamirapiratra izahay rehefa asaina mikitika, miaina sy manandrana ny ataon’ny siantifika eny anaty ala izy ireo!

Manofy ny mba hanana ny ivo-toerana siantifika

Rahatrizay dia ny hamorona ivo-toerana siantifika eto Madagasikara no tanjon’ny ExplorerHome. Io ivo-toerana io dia handray vahiny maro, tanora sy olon-dehibe avy eto Madagasikara sy avy any ivelany.

Hizara ny siansa, ny fikarohana sy ny momba ny harena voajanaharin’i Madagasikara io ivo-toerana io ary hampitia ny siansa ho an’ny olon-drehetra. Hahita fampirantiana tena mahavariana momba ny asan’ireo mpikaroka eto Madagasikara, hihaino ny tantaran’ireo siantifika ary hanao ny fanandramana ho azy manokana izay ho mpitsidika io toerana io.

Izany no ahafahan’ireo mpitsidika hianatra, hahazo ary ho tia ny siansa.

Ny fandaharan’asa “Sciencing Out”

Ny fandaharan’asa voalohany nataonay dia mitondra ny anarana hoe “Sciencing Out”. Ny andiany voalohany dia notanterahina ny volana Aprily 2019 ary ny andiany faharoa dia natao ny volana Septambra 2019. Ny National Geographic no namatsy vola ny tetik’asa. Tao anatin’io tetikasa io dia nampianarin’ireo siantifika Malagasy ny tanora mpianatra Malagasy.

Fomba vaovao entina mampianatra ny taranja STEM no nentina tamin’ny ankizy ary nahafahan’izy ireo nahita ny tontolo tahaka ny fahitan’ny siantifika azy izany.

Manampy ny mpianatra mba hanonofy ho lasa mpikaroka izany ary indrindra mampahafantatra ireo karazana asa mety hatao eo amin’ny sehatry ny taranja STEM.

Mifandray amin’ireo mpikaroka eto an-toerana sy any ivelany

Tamin’ny andiany volaohany tamin’ny volana Aprily dia niara-niasa tamin’ny ONG Sadabe, mpikambana ato amin’ny LCN, ny ExplorerHome. Tamin’izany no nitsidihany ny alan’i Tsinjoarivo, nianatra momba ireo varika sy ny biby kely ihany koa izy ireo tamin’izany.

Ho an’ny andiany faharoa kosa dia nianatra ny momba ny “Paleontologie” tsy lavitra an’Antananarivo ny ekipa ary nandeha tao amin’ny alan’i Maromizaha izay tantanin’ny GERP Madagascar avy eo. Nianatra niaraka tamin’ireo mpikaroka momba ny zava-maniry, momba  ireo biby sy zava-maniry tsy misy intsony amin’izao fotoana izao (fossiles), momba ireo vorona ary momba ireo gidro izy ireo tamin’izany.

Ny fifandraisana amin’ireo mpikaroka siantifika manerana an’i Madagasikara dia tena zava-dehibe ho an’ireo mpianatra mba ahafahany mahafantatra bebe kokoa  ny siansa. Ary ny tetik’asa Sciencing Out dia ahafahan’ireo mpikaroka mizara ny asany mba hipàka amin’ny fiaraha-monina, indrindra amin’ny alalan’ny  fizarany ny fitiavany sy ny fikarohana ataony amin’ireo mpianatra sy ny olona rehetra tsy ao anatin’ny sehatra siantifika..

Ny tena zava-dehibe ho an’ny ExplorerHome dia ny hanitatra hatrany io fiaraha-miasa miaraka amin’ireo mpikaroka siantifika ireo mba ahazoana taranaka Malagasy mahay sy liana amin’ny siansa ary ny fiarovana ny tontolo iainana.

Mpanabe avy any Etazonia

Talohan’ny fandaharan’asa Sciencing out, dia nifandray tamin’i Susan Dorsey, izay mpanabe avy ao Baltimore i Tsiory. Izany dia avy amin’ny alalan’ny National Geographic Educator Certification Program. Rehefa izany, dia nanasa an’i Susan hiaraka amin’ny ekipan’ny ExplorerHome izy mba hanampy amin’ny fanatontosana ny andiany voalohany amin’ny fandaharan’asa Sciencing Out.

Momban’ ny zavatra niainany niaraka tamin’ny ExplorerHome teto Madagasikara, dia hoy i Susan:

Tena voninahitra ho ahy ny nahafahako nizara sy niara-niasa tamin’io fandaharan’asa io. Nianatra zava-baovao aho niaraka tamin’ireo mpikaroka sy manam-pahaizana teto an-toerana, zava-baovao momba ny zava-boahary eto Madagasikara toy ny varika sy ny biby kely. Hitako ihany koa ireo ezaka atao ho an’ny fiarovana ataon’ny Sadabe, izay fikambanana miasa any amin’ny alan’i Tsinjoarivo.

Tena variana sy midera ny fahavitrihana, ny fitiavana, ny fahaizana miasa ary ny fanantenana ananan’ireo izay nifanena tamiko tao anatin’ity fandaharan’asa ity aho. Ny fahaizana mitantana miaraka sy fahaizana miara-miasa ao anaty ekipa no nahafahan’izy ireo nahavita zavatra tsara sy mahavariana na dia teo aza ny sakana maro samihafa.

Nampatsiahy ahy izany fa zava-dehibe ny manonofy, zava-dehibe ihany koa ny mandrindra tsara ny vina ananana, ny fiaraha-miasa ary indrindra ny famoronana ekipa. Ireo mpikambana ao anatin’izany ekipa izany dia anisan’ireo izay hanova ny fomba fijerin’izao tontolo izao. Hametraka ny tantarany izy ary mandritra izany dia hanova zavatra maro izy ireo.

Ny ho avin’ny ExplorerHome

Mbola dingana voalohany ihany ny “Sciencing Out”. Ankehitriny, mamolavola fandaharan’asa ho an’ireo ankizy ny ExplorerHome mba hampivelarana bebe kokoa ny vokatra ary mba hanairana ny sain’ireo ankizy ho tia ny taranja STEM.

Ekipan’i ExplorerHome

Anisan’ireo izao ny tetik’asa Bioblitz izay efa notontosaina ihany koa ny volana Novambra 2019 ary ny tetik’asa “Ask a Scientist” izay natao indrindra hampifandray ny ankizy sy ny siantifika amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera. Ary indray andro any, ho tanteraka ny vina hananany ny ivo-toerana siantifika!

 

 

 

Te ahafantatra be be kokoa ny ExplorerHome!

-Tsidiho ny tranonkala explorerhomemada.com

– Araho ny pejy facebook ny ExplorerHome Madagascar

– Araho ny Instagram #explorerhomemada

– Fantaro i Dr. Tsiory Andrianavalona