Archive | Bilaogy

Fankalazana ny Dihin’ny Varika Maneran-tany 2018-Famintinana

Ny fankalazana ny dihin’ny varika maneran-tany dia hetsika maromaro izay tanterahina maneran-tany mihitsy mandritra ny volana Oktobra sy Novambra mba ho fanentanana lehibe amin’ny fiarovana ireo varika, fankalazana ny maha biby tokana azy eto Madagasikara ary ny fanehoana ny maha zava-dehibe ny fiarovana ny varika sy ireo fonenany.

 

Andiany fahadimy amin’ny fankalazana ny taona 2018. Ary fikambanana miaro sy tia ireo varika aty Madagasikara, any Etazonia , any Europa hatrany Japon no nankalaza ny dihin’ny varika maneran-tany.

 

Maro tamin’ireo mpikambana ato amin’ny  LCN no nankalaza sy nanohana ny hetsika. Tao ny GERP, Madagascar Biodiversity Partnership, Conservation Fusion, Madagascar Fauna and Flora Group, Lemur Love, Lemur Conservation Foundation, Duke Lemur Center, Oxford Brookes University ary ireo Zoos maro maneran-tany.

Ndeha ary fintinina manaraka ireo hetsika maromaro nandritra ny Fankalazana ny dihin’ny varika maneran-tany teto Madagasikara sy tany amin’ireo firenena hafa! 

Hetsika teto Madagasikara

Antananarivo : ENS Ampefiloha

Nankalazaina tamin’ny zoma faha 05 oktobra 2018 lasa teo, teto Antananarivo ny dihin’ny varika maneran-tany, andiany fahadimy, izay nokarakarain’ny GERP. Maro ireo hetsika izay notanterahina. Nanomboka tamin’ny diam-be niarahana tamin’ireo vondrona tanora avy amin’ny sekoly ambaratonga ambony, ireo orinasa ary ireo fikambanana. Ary, nitohy tamin’ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny ANS Ampefiloha, ireo fanentanana maro izay notanterahin’ireo mpahay ara-java kanto ary ireo fampirantina. Nisy ihany koa ny laombary an-dasy narahina ady hevitra mitondra ny lohahevitra hoe “Harem-pirenena ny varika fa mbola ho voaaro ve?” natao tao amin’ny ENS Ampefiloha.

Araho eto ny resa-dresaka nifanaovan’i Dr Corduant, mpandrindra ny LCN eto Madagasikara tamin’ny mpandrindra ny hetsika Andriamatoa Heritiana Dieu Donné RANDRIANATOANDRO momba io fankalazana io.

Vakio eto ny bilaogy mikasika io.

 

 

Andasibe

Nankalazaina tamin’ny 28 Septambra lasa teo ny Festival des Indri, izay nokarakarain’i GERP. Olona mahery 150 no tonga nanatrika izany fankalazana izany. Nisy ny diam-be izay nahita ny fandraisan’anjara ireo mponina eny ifotony (ireo guides, polisin’ala, fikambanam-behivavy, mpamboly zana-kazo, gardien guérite, ireo mpikambana ao anatin’ny fikambanan’ireo mpitantana na ny plate-forme de gestion). Nisy ihany koa ireo hetsika maro samihafa toy ireo fampirantiana, dihy vakodrazana ary laombary an-dasy.

 

Toamasina

Isan-taona dia mandray anjara amin’ny fankalazana ny Dihin’ny Varika Maneran-tany ny, Madagascar Fauna and Flora group . Tamin’izao andiany fahadimy izao dia nokarakaraina niaraka tamin’ny Varecia club niarahana niasa tamin’ny Alliance Française ao Toamasina, ISSEDD ary ny LEO CLUB ao Toamasina ny hetsika.Novatsian’i Ministeran’ny Tontolo iainana, ny Ekolojia ary ny Ala izany fankalazana izany.

Ny tanjona amin’izany hetsika izany dia mitovy amin’izay tanjona apetraka izan-tana ihany :

  • Hampihenana ireo tsindry sy loza mihatra amin’ireo varika,
  • Hanaitra sy hahatonga saina ny olona amin’ny lanjan’ireo varika,
  • Hampandray andraikitra misimisy kokoa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny,
  • Hanentana ireo ankizy eny an-tsekoly sy ireo mpianatra any amin’ny ambaratonga ambony,
  • Hanentana ireo sarambambem-bahaoka.

Nandritra ity andiany fahadimy ity, indroa mihataona ny fankalazana, niainga ho an’ny vahaoka ao Toamasina, hetsika izay natao teo amin’ny toerana malalaka, Araben’ny fahaleovan-tena, ny faha 10 sy faha 11 Novambra ary ny hetsika iray hafa tao Ivoloina Parka ny faha 17 Novambra lasa teo.

Nahatratra 800 ireo olona tonga teo amin’ny Araben’ny fahaleovan-tena ny andro voalohany ary maherin’ny 1400 ny andro faharoa. Fa nisy ihany koa ireo fampirantiana marobe izay nanasongadinana ireo varika hita any Madagasikara ary indrindra fa ireo izay hita ao Ivoloina. Naseho nandritra izany y maha-zava-dehibe ny varika, ireo loza mihatra aminy ary ireo zavatra afaka atao’ny tsirairay amin’ny fiarovana azy ireo.  Nisy ireo hetsika marobe sy lalao nampiarahina tamin’io hetsika io.

Varavarana misokatra tao amin’ny Parka Ivoloina

Anisan’ny tena nanamarika ny andiany fahadimy, ny fanomezana fijerena malalaka ny Parka Ivoloina. Nanomboka tam’iny dia-tongotra 12 km tao anaty Parka ny fotoana. 175 ireo olona nandray anjara tamin’izany anisan’izany ireo skoto, mpianatra eny sekoly Frantsay, club Vintsy, mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony, ray aman-dreny ary ireo mpihira vakodrazana, sns.

Nasaina manoka ihany koa ireo manam-pahefana nandritra ny hetsika ary ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy. Ny fandraisana anjaran’ireo Leo Club tao Toamasina ihany koa no nanamarika ny fotoana ka nisy noho izany ny fitiliana Diabeta tao Ivoloina ihany.  Amin’ny akapobeny, mahery ny  1500 people ny olona tonga ary araka ny fanao, maro ireo kilalao sy fifaninana nahazoan’ireo ankizy loka marobe.

Lac Alaotra

Notanterahina ny faha 21 sy faha 22 Novambra lasa teo ny andiany fahadimy amin’ny Festival Bandro izay nokarakarain’ny Madagascar Wildlife Conservation (MWC) . Nahomby ny hetsika satria dia olona mahery ny 500 no voaentana nandritra ny 2 andr0. Ny andro voalohany dia nisy ny fitsidihana ny Parka Bandro ao Andreba Gara ary ny voly zetra sy fametahana panneau de signalisation Parc Bandro. Ny hariva dia nisy ny lalao fanantanjahan-tena ary ny fijerena horonan-tsary momba ny Bandro. Ny andro faharoa dia nisy ny diam-be izay narahina kabary, fampisehoana dihy mirindra  sy vakodrazana ary fizarana loka.

Ny fankalazana dia niarahana t@ DREEF Alaotra Mangoro, Région Alaotra Mangoro ary ny Préfécture d’Ambatondrazaka sy ireo mpitantsoroka toy ny Durell, Alaotra Ranosoa, GERP,  Tao ihany ireo CTD tao anatin’ny komity mpikarakara rehetra tsy adino ihany koa ireo haino amanjerim-panjakana sy tsy miankina niara-niasa. Ny mpanohana ny hetsika dia Margot Marsh Biodiversity Foundation sy Coopération Décentralisée/Departement Ille et Vilaine.

 

 

 

Kianjavato, Ambolotara

Niara-nankalazana ny fankalazana ny dihin’ny varika maneran-tany ny Conservation Fusion niara-niasa tamin’ny Madagascar Biodiversity Partnership, ny mponina eny Kianjavato ary ireo VOI (Vondron`Olona Ifotony), ireo mpianatra miara-miasa any Kianjavato  ary ireo mpianatra 25 avy amin’ny Onversiten’Antananarivo izay mitsidika ny toerana any Kianjavato. Naharitra roa andro ny fankalazana ny faha 26 ary ny faha 27 okotbra lasa teo.  Tamin’ity taona ity, dia niompana bebe kokoa tamin’ireo mponina eny ifotony ny fankazalana ka maherin’ny 1100 ny olona eny ifotony no voaentana ao anatin’izany ireo lohan-dohan’ny mpisorona any an-toerana, ny filoha vaovao VOI, ireo mpampianatra, ireo reny ary ireo fikambanam-behivavy.

Telo ireo hetsika lehibe natao :

Fambolen-kazo : Niarahana tamin’ny MBP sy Conservation Fusion, 18200 ireo zana-kazo nambolena.

Toby ho fiarovana : Ny zoma faha 26 Oktobra dia nanantanteraka ilay toby ho fiarovana niaraka tamin’ny mpianatra miisa 22 ary mpampianatra 2 avy amin’ny EPP Ambodibonary ary ireo guides 4 avy amin’ny Madagascar Biodiversity Partnership.

 

Conservation Camp na ny toby ho fiarovana dia anisan’ny tetikasam-panabeazana lehibe izay notarihina nandritra ny efa-taona ary avy eo dia nafindra tamin’ireo mpitarika eny ifotony ny fitantanana sy ny fandrindrana azy io fa misy ny fiaraha-miasa amin’ny Conservation Fusion ary manjary fandaharan’asa mitohy ao Kianjavato io Conservation Camp io.

Fa nikarakara conservation camp manokana izy ireo nandritra ny WLD ary ny lohahevitra tamin’io dia ny hampifandray ny ankizy amin’ny gidro ka mba hampitarika azy hifandray bebe kokoa amin’ireo mpanoro-dia na guides ami’ny resaka fananana ala sy ireo gidro. Fa fifandraisana ahafahan’izy ireo manovo fahalalana miaksaika ny natiora misy azy ary ahazoany ny maha-zava dehibe ny tombony lehibe ananany amin’ny fahitana gidro any anaty ala ary koa mba hianarana ny fomba fiainan’ireo gidro ireo. Amin’ny maha andro manokana azy, dia nahzo boky fanentanana momba ny gidro ireo ankizy.

Ireo gidro atao hoe Tsiory sy Varijatsy dia manana tantara izay tena miainga avy amin’ny zava-misy ao  Kianjavato ary nampiasaina ao amin’ireo sekoly miara-miasa mba ho fanabeazana ireo ankizy momba ny gidro. Ahaona no ahafahana mampifandray ireo gidro-olona-tontolo iainana ary ahaona no ianarana mikasika ny anjara asan’ireo gidro ao anaty ny ala misy azy. 

Taorian’ny fitsidihana sy fandehanana anaty ala dia nisy ny fifanakalozan-kevitra teo amin’ireo samy mpandray anjara tamin’ny Conservation Camp ary ireo mpitari-dia. Ireo guides na mpitari-dia ireo dia nanazava ny asa amin’ny maha guides azy , ny asany ao anaty ala sy ireo asa amin’ ny gidro (fanaraha-maso ny sakafon’ny biby isan’andro ohatra) ary dia nitombo fahalalalana momba ny tombon-tsoa hisian’ny gidro ao anaty ala, araka izany ireo mpandray anjara.

Ankoatran’izay, nanana tombony manokana ireo mpandray anjara nandritra io fotoana io satria dia niara-nizara hafaliana tamin’ny fitsidihana ala izay anisan’ny fotoana mamy ankafizin’ ny ankamaroan’ny ankizy indrindra ary ao anatin’izany dia tena tian’ny ankizy ihany ny mahita ireo varika/gidro, ny miara-mijery ny natiora miaraka amin’ny namany ary ny mametraka ireo fanontaniana amin’ireo guides ka ahazoany fahalalana marobe. 

Festival

Ny diam-be dia notarihin’ireo ray aman-dreny mpitarika avy aminin’ireo tanàna ao izay tonga nanatrika ny hetsika tao Ambolotara. Nahafahana nanentana ny tanàna iray manontolo izany fa indrindra ihany nahafahana nampivondrona ny olona rehetra aorian’ny diam-be.

Ny hira nampiasaina nanentana dia mifono ny lohahevitra hoe Arovantsika ny varika fa io no lovantsika. Ndeha hiaraka isika hiaro ny varika, androany ndeha hankalazaintsika ny varika”.

Ankizy maherin’ny 144 avy amin’ireo sekoly mpiara-miasa no tonga nandritra ny fankalazana. Tamin’ity taona ity, noho ny fiaraha-miasa maharitra niaraka tamin’ireo sekoly dia samy nanana “mascotte” varika avokoa ny sekoly tsirairay.

Fanentanana ireo mponina sy kilalao fanontaniana

Taorian’ny diam-be, nivory teo an-tokotanin’ny sekoly ao Ambolotara ny mponina voavory. Teo no nisokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny dihin’ny varika, izay nosokafan’ny Ampanjaka ka nisaraona manokana ny  Conservation Fusion sy ny MBP tamin’ny nifidianany ny toerana Ambolotara amin’ny fankalazana ny dihin’ny varika maneran-tany, ary teo ihany koa no nampatsiahiviny ny mponina ny mba tsy hanaovana ny tavy intsony satria efa hita taratra tsara izao ny tombon-tsoa azo avy amin’ny fiarovana ny fonenan’ireo gidro.

Mpianatra 25 avy ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo no tonga nanampy an’ny CF sy MBP tamin’ny fikarakarana ny WLD ary dia nanao dihy mirindra izy ireo nandritra ny hetsika.

Ny fankalazana toy izao mantsy dia andro lehibe ahafahana manentana manokana ny mponina eny ifotony mikasika ny tavy, strai hatreto dia mbola avo ny tahan’ny fanaovana tavy ao Ambolotara. Mandritra ny fotoana ivoriana tahaka izao, dia mandray fitenenana hatrany i Marc, mpamboly zana-kazo mikasika ny fiantraikan’ny tavy eo amin’ny gidro sy ny fiainan’ny olona andavan’andro mihitsy.

 Andapa

Nankalazaina tao Andapa ny fankalazana ny dihin’ny varika maneran-tany ny faha 31 Oktobra 2018 lasa teo. Olona maherin’ny 300 no tonga nanatrika ny fotoana ary dia nahitana fahombiazana hatrany ny hetsika. Nanomboka tamin’ny diam-be ny hetsika izay nahitana ny fandraisana anjaran’ireo olona marobe (mpianatra, fikambanam-behivavy miaro ny ala ary ny maro hafa). samy nanao saro-tava varika ny mpandray anjara.

Ny Lemur Conservation Foundation (LCF), Duke Lemur Center-SAVA Conservation, World Wildlife Fund (WWF), Wildlife Conservation Society (WCS) ary ny maro hafa dia samy andray anajra tami’ny fikarakarana ny hetsika ary nisy ihany koa ny fankalazana niarahana tamin’ireo mpianatra tao Andapa. Maro ireo hetsika notanterahina ao anatin’izany ny fifaninana dihy, fifaninana tantara kely mikasika ny varika ary avy eo dia nijery horonan-tsary mikasika ny varika izay novokarin’ny BBC film mitondra ny lohateny hoe “Nosy Mahagaga”.

Nisy ny fanalana hetaheta sy ireo loka maro nozaraina toy ny penina, kahie hoa ‘ny ankizy. Tamin’ity taona ity, dia nanao hetsika manokana ny LCF ka nanome fatana mitsitsy ADES izay tena maro mangataka tokoa.

Ny mpamatsy vola dia ny LCF, ny MNP ary ny WWF ary ireo fikambanana ifotony maro.

Sainte Luce

Ny andro Zoma tokony hankalazana ny dihin’ny varika maneran-tany dia nanorana ny andro tany sainte Luce ka tsy afaka nankalaza izany ny SEED Madagascar. Saingy andro vitsy taorian’izay dia nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny tetikasa Ala izy ireo.

Ny tetikasa Ala dia tetikasa lava famerenana ala izay hanana tanjona ny mba hifandraisan’ireo ala izay potika. Izany no atao dia ny mba ahazoan’ny karazana girdro 3 mivoka amin’ny alina, mivezivezy amin’ireo ala ireo ary dia hampitombo be ny velaran-tany fonenany izany. Tamin’ny niandohan’ny volana Novambra, dia nanomboka tamin’ny fambolena Acacia ny tetikasa.

Ho hitanao ao amin’ny tranonkala an’i SEED Madagascar ny fomba hanampian’ny tetikasa hiaro ireo gidro ireo.

 

Hetsika tany Etazonia

Sacramento

Tamin’ity taona ity, dia sambany ho an’ny Lemur Love, Inc. no mankalaza ny dihin’ny varika maneran-tany amina toerana iray. Marihina fa misy hatrany ireo hetsika maro izay ataon’izy ireo ao amin’ny tranonkala sy ireo tambazotra sosialy ary fifaninana izay natao mandritra ny fankalazana ny dihin’ny varika maneran-tany efa telo taona izao.

YOLO Brewing Company any Sacramento, CA no toerana voalohany nanaovana ny fankalazana. Niara nifaly tamin’ireo mpiasa sy mpikarakara biby ao amin’ny zoo any Sacramento izy ireo ka niara-nitsotro ilay antsoiny hoe “Lemur Alone” Milkshake IPA beer.

San Diego, North Park Beer Company

Ny fankalazana faharoa nataon’i Lemur Love dia tany amin’ny foibe misy azy tany San Diego, CA tao North Park Beer Company. Izany dia niarahany tamin’ireo ireo mpiasa sy mpikarakara biby ao amin’ny zoo ary ireo namana izay tia varika ihany koa.

Ny hetsika ataonay amin’ny interneto dia nahitana fahombiazana hatrany. Maro ireo olona, anisan’ny ankizy izay nandefa ireo sarina gidro tsara indrindra nalainy ary nandefa ihany koa sary tanana tena tsara ary dia nozaraina tamin’ny tambazotra sosialy izany. Ary ny fifaninana momba ny gidro nataonay dia anisan’ny tena nalaza indrindra tamin’ity taona ity ary dia maro ny resaka nifandraisana nandritra izany. 

 

 

 

Sarasota

Tamin’ny faha 13 oktobra 2018, Lemur Conservation Foundation nankalaza voalohany ny andro maneran-tany ho an’ny varika toy ireo hetsika maro misy amin’ny firenena hafa.

Nympiara-miombon’antoka aminy, ny “Ringling College of Art and Design”, dia nandray maimaim-poana ny hetsika izay notanterihana tao amin’ny tranom-boky  Alfred R. Goldstein. Maro ireo karazana hetsika fanabeazana natao ary nisy ihany koa ny famelambelaran-kevitra nataon’i  Drs. Alison Grand sy Erik Patel tao amin’ny “The Art & Science” momba ny fomba hiarovana ny gidro. Nisy ihany koa ny fampirantiana ireo sary natao nadritra ny fifaninana ka olona 20 avy amin’ny Oniversite no nandray anjara tamin’izany.

San Francisco, The Riptide

Nisy ny fanangonam-bola hanaovana asa soa tany san Francisco ny andro maneran-tany ho an’ny varika tao amin’ny “The Riptide”. Ny vola rehetra azo dia nomena an’ny fikambanana  AEECL ho an’ny tetikasa irahanay amin’ireo mponina eny ifotony amin’ny fiarovana ireo Akomba, gidro tena efa eo am-bavan’ny faharinganana.

Chester Zoo

Nankalaza ny andro maneran-tany ho an’ny varika ny Chester Zoo. Nisy ny famelambelran-kevitra natao momba ireo Maky na Maki tao amin’ny toerana atao hoe “Lemur island”. Afaka nitsidika ireo varika misy ao amin’ny zoo ny mpitsidika ny tolak’andro ka nianatra momba ireo varika ary ny zavatra takiana raha te-hiasa ho an’ny asa fiarovana any Madagasikara.

Trevor Zoo

Ao amin’ny Trevor Zoo, dia efa nanana varika izy ireo nanomboka tamin’ny taona 1985. Nankalaza ny andro maneran-tany ho an’ny varika izy ny faha 27 sy faha 28 Oktobra 2018.  Maro ireo hetsika notanterahina hanamarinana ny fankalazana ary mba hanentanana ny mpitsidika io andro io momba ny loza izay mihatra an’ireo varika ary ny momba an’ireo biby misy any Madagasikara. Nisy ny famelambelaran-kevitra nataon’ireo mpikarakara biby momba ny varijatsy sy ireo maky. 

Nisy ihany koa ireo boky fanabeazana mikasika ny varika izay novaina’ireo ankizy. Ny antsasam-bidy azo avy amin’ireo zavatra vidin’ireo mpitsidika dia nomena ho fiarovana ireo varika sy ireo fonenany.

 

Kros Strain Brewing Company

Nankalazaina tao amin’ny Kros Strain Brewing Company ny andro maneran-tany ho an’ny varika. Araka izany dia nivarotra asa-tanana malagasy maro izy ireo ho an’ny mpitsidika anisan’izany ireo tee-shirt, ireo akanjo miloko.  Ny vola rehetra azo dia nomen’ny Conservation Fusion.

Tennessee Aquarium

Nankalaza ny dihin’ny varika maneran-tany izy ireo. Afaka nitsidika ireo mpiasa mpikarakara ny biby sy ireo varika ny mpitsidika nandritra io andro io.

Afaka naka sary maro samihafa ireo mpitsidika niaraka tamin’ireo mascotte varika izy ireo. Any amin’ny trano fivarotana, dia afaka nividy ireo sary nataon’ireo varika izay namboariny ihany. Ny ampahany amin’ireo vola azo amin’ireo zavatra novidiana ireo dia nalefa ho an’ny mpiara-miasa amin’ny Madagascar Fauna and Flora Group.

 

 

 

Central Florida Zoo sy Botanical gardens

Tany Central Florida Zoo & Botanical Gardens nankalazaina ny asabotsy faha 3 Novambra, niaraka tamin’ireo karazana gidro ary ireo biby hafa hita any Madagasikara niaraka tamin’ny lohahevitra hoe “Eo akaikin’ny varika isika”.  Nisy ny kilalao, hetsika maro samifaha ary hafatra momba ny fiarovana maro.

 

 

Staten Island zoo

Nankalazaina ny Alahady faha 28 Oktobra ny andro maneran-tany ho any varika tao Staten Island zoo. Nisy ny famelambelaran-kevitra.

Nanatrika fiofanana kely mikasika ny varika ny mpitsidika ary nanambaotra ireo kilalao fanome ireo gidro any amin’ny Zoo.

Wildlife In Need, Inc, Charleston

Nankalazaina tany Charleston ihany koa ny andro maneran-tany ho an’ny varika. Nisy ny fanamboarana ireo kilalao maro samihafa, saro-tava, sary atao amin’ny tarehy ho an’ireo mpitsidika.

West New York School

Tany am-pianarana ihany koa dia nankalaza ny andro maneran-tany ho an’ny varika niarahana tamin’ireo mpianatra sy mpampianatra toy i  Ms. Christine Zelenka, izay mpampianatra Biolojy, izay nanomana zavatra maro ho an’ny mpianany ho amin’izany fankalazana izany.

Tena nahafinaritra ny fankalazana ny andro maneran-tany niaraka tamin’ireo mpianatro. Samy nanomana zavatra ho tantaraina momba ny gidro izy ireo!

Hetsika tany Eoropa

Noah’s Ark Zoo Farm

Nankalaza ny andro maneran-tany ireo mpiasa mpikarakara ireo Primates tamin’ny alalàn’ny fitsidihana ireo gidro. Nisy ireo lalao sy ireo fanamboarana kilalao ho an’ireo gidro.

Oniversite any Oxford Brookes

Ireo mpikaroka momba ny varika ao amin’ny Oxford Brookes University dia nankalaza ny andron’ny varika mba hanentanana ireo mpiara miasa aminy sy hiresahana ny asa ataony any atsimon’i Madagasikara. Naneho ireo asany izy ireo, indrindra ireoa any toerana hiarovana  any Tsitongambarika, faritra Anosy. Nisy ireo asa-tanana vita Malagasy, ireo sarin’ny gidro ary mofo mamy ireo godro-godro, izay nangalana tahaka ny fomba nanamboaran’i  Marianah azy ireny, rehefa any Ampasy, toerana iasana.

Tena faly ireo olona izay nijery ary gaga tamin’ireo fisian’ny karazana gidro maro ary tena liana izy ireo nianatra ny momba ny fiainan’ireo gidro ary ireo mponina any Madagasikara. Noho ireo fanomezana avy amin’ireo mpianatra, ireo mpiasa ary ireo mpitsidika, dia azo ireo vola nilaina hividianana ny fitaovana ho an’ireo mpiasa Malagasy ary ny fitaovana hoan’ireo sekoly any an-toerana.

Hetsika tany Azia

Japana, Japan Monkey Centre

Nandritra ny volana Oktobra iray manontolo dia nankalaza ny andro maneran-tany ny Japan Monkey Centre. Anisan’ireo hetsika tamin’izany ny “lemurs’ October Fest” ny faha 6 sy 7 Oktobra ary ny lemur BINGO ny faha 27 Oktobra ary ny dihy mirindra ny faha 28 Oktobra 2018.

Ny andro maneran-tany ho an’ny varika dia fotoana natokan’ireo mpiasa niankajo mainty sy fotsy ka naka sary miaraka izy ireo.

Ireo mpikaroka avy ao amin’ny Oniversite any Kyoto, sampam-pikarohana momba ireo Primate dia nanao famelarambelaran-kevitra ho an’ireo varika. Ny faha 6 sy faha 13 Oktobra, dia afaka nijery akaiky ireo gidro ny mpitsidika rehefa misakafo izy ireo. Ary farany, nisy ireo kilalao namboarin’ireo mpikarakara gidro sy ireo mpitsidika ao amin’ny toerana natokana ho an’i Madagasikara. Ny faha 03 oktobra ka hatramin’ny faha 5 Novambra, dia nisy ny fampirantina ireo sarin’ny varika nalain’ireo mpiasa sy ireo mpitsidika.

Tokiwa Park

Ny faha 07 Oktobra ka hatramin’ny faha 04 Novambra, Tokiwa Park nikarakara hetsika maro ho an’ny fankalazana ny dihin’ny varika maneran-tany toy ireo fifaninana momba ny gidro ary ny fanomezana boky fitarahin-dalàna momba ny gidro ho an’ireo mpitsidika.  Tamin’ny hetsika nitondra ny lohateny hoe “ndeha hanamaboatra sary ho an’ny gidro” mahery ny 140 ny sary voangona.

Nisy ihany koa ireo lohahevitra hafa toy ny” tokony ho tsara fanahy isika eo anatrehan’ny gidro'” “ndeha isika hiara hiaro ny gidro” ary ” Miaro ny gidro aho”. Nanamboatra fitarihan-dalàna ho an’ireo mpitsidika momba ny fankalazana ny andro amnaren-tany ho a’ny gidro ny mpiasa sy mpikarakara gidro.

Mpikambana LCN amin’ity volana ity : Wildlife Conservation Society (WCS)

 Ny Lemur Conservation Network isam-bolana dia maneho ireo asan’ireo mpikambana eo anivon’ny LCN ka manazava amintsika ny fomba ahafahantsika manampy azy ireo amin’ireo ady ataony ho fiarovana ny gidro. Ity volana Novambra ity dia natokana ho an’ny  Wildlife Conservation Society (WCS). Ao anatin’ity bilaogy ity, dia niresaka tamin’I Atoa Ando Ramasindraibe izahay, izay tompon’andraikitry ny fifandraisana na spécialiste junior en communication ao amin’ny WCS izay nitantara taminay ireo asa zava-dehibe ataon’ny WCS ary ny fomba ahafahantsika manampy azy. 

 

Mba zarao aminay ny tantara sy ny mombamomban’ny fikambanana

Wildlife Conservation Society dia fikambanana amerikanina izay miasa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny lafin’ ny fiarovana ny harenan-java boahary anivo tany sy any an-dranomasina ary koa ireo izay tontolo maro.

Ny taona 1993 no nitsangana ny WCS Madagascar program ka niasa ho fiarovana maharitra ny harenan-java boahary tokana ananan’I Madagasikara ka nifantoka tamin’ireo fiarovana ireo tany midadasika sy velan-dranomasina ny asany amin’izany.

Efa nanomboka tamin’ny taona 2003 no niasa tany Makira ny WCS ka nanangana ny alan-javaboahary arovana any Makira. Io toerana io dia tantanina amin’ny alalàn’ny fiaraha-miasa miaraka amin’ny fikambanana mponina eny ifotony izay miisa 75 izay miandraikitra ny fitantanana sy ny fiarovana ilay antsoina hoe “green belt” manodidina ny Parka. Mamolavola fikarohana miainga amin’ny asan’ny mponina eny ifotony, fiarovana eny ifotony ihany koa WCS ary fandaharan’asa fanofanana eny ifotony eny amin’ny velaran-dranomasina telo izy ireo : any Toliary Atsimo-andrefana, Baie d’Antongile any Avaratra atsinanana ary Nosy Be any Avaratra andrefana.

 

Aiza no misy ny fikambanana ary inona avy ireo asa?

Any Antananarivo, renivohitr’i Madagasikara no misy an’ny WCS Madagascar. Fa misy birao WCS avokoa ireo toerana izay iasanay.

Inona ireo karazana gidro iasanareo?

WCS dia miasa ho an’ny fiarovana ny Parka any Makira izay misy karazana gidro 17. Anisan’izany ny Simpona fotsy (Propithecus candidus) izay tsy hita afa-tsy any amin’ny faritra avaratra atsinanan’I Madagasikara, Varinaina (Varecia rubra) izay hita manodidina ny Baie d’Antongile irery ihany, Ny varikandana (Varecia variegata subcincta), ary ireo babakoto (Indri indri). Eo am bavan’ny faharinganana ireo karazana gidro ireo rah any UICN no jerena.

Inona avy ireo asa atao izay manampy amin’ny fiarovana ireo gidro sy ireo asa hafa?

WCS dia manampy amin’ny fiarovana ny gidro amin’ny alalàn’ny fanankambanana ireo fanatsarana ny fanaraha-maso ireo fanamafisana ny lalàna sy ireo fampiromboroboina ireo asa mahasolo ny asa fanimbana ala toy ny fanoloana ireo fitadiavana otrik’aina na proteina ary ny fanentanana maro isan-karazany. Noho izany, misy hatrany ireo fanaraha-maso matetika sy asa fanaraha-maso akaiky atao amin’ny alalàn’ny fampiasana ny SMART (Spatial Monitoring and Reporting Tool) izay ampiasaina amin’ny asa fanaraha-maso ho fanamafisana ireo lalàna. Izany no atao dia ny mba ampahafantarana ireo fanapahan-kevitra raisina mikasika ny fiarovana ireo gidro iasana ireo. Misy ihany ko any ady atao amin’ny fihenan’ny velaran’ny ala amin’ny alalàn’ny famerenena ny ala fonenan’ireo gidro ary fampitomboana ny fampifandraisana ireo ala. Mba ho fanoloana ireo asa fanimbana ala ataon’ny mponina, WCS dia manohana azy ireo mba hananana asa fampidiram-bola toy ny fambolem-bary manaraka teknika, ny fiompiana madinika, ny fizahan-tany ary ny maro hafa.

Mampiromborobo ireo orin’asa manana fandaharan’asa amin’ny fiarovana ihany koa WCS. Izany dia zava-dehibe mba ahafahana manohana ireo mponina mba ho tena handray ireo asa ara-toekarena fanoloana ny fanimbana ala, asa maharitra ary tena ahitana vokatra tsara. Ary izany dia mampirisika azy ireo handray andraikitra amin’ny asa fitantanana sy asa fiarovana.

Manana fandaharan’asa fanabeazana ihany koa WCS mba ahampahafantatra sy hampandraisana andraikitra ny olona eny ifotony amin’ny fiarovana. Mijery manokana ireo tanora ny fandaharan’asa amin’ny alalàn’ny fanentanana azy hampiasa ny interneto ka mba hahitany ireo zavatra tsara atao eran’izao tontolo izao. Hanome lanja ireo ankizy no tanjon’ny fandaharan’asa amin’ny alalàn’ny fanentanana eny an-tsekoly ary hanohana ihany koa ireo tanora izay ao anatin’ny fikambanana tanora miaro ny ala mba izy ireo no lasa mpiambina ny tontolo iainana misy azy.

Mampahafantatra ny olana sedraina amin’ny fiarovana tontolo iainana ny WCS amin’ny alalàn’ny fiarovana, fanaovana ireo asa eny ifotony amin’ny fiarovana tontolo iainana, ny fandefasana tantara eny amin’ny radio ho an’ny tanora ary manohana ireo haino aman-jery amin’ny hetsika atao isan-kerinandro, ireo famoahana gazety ary ireo hetsika kolotoraly ary fankalazana atao isan-taona.

Inona avy ireo zava-bita vao haingana?

  • Ireo asa famerenana ala ao anatin’ny ala mampifanohy ala 5 ao anatin’ny paraka mba hiarovana ireo ala ary hisian’ny fifanakalozana ireo foto-tarazo amin’ireo zava-maniry.
  • Fanaraha-maso tsy tapaka ireo ala amin’ny alalàn’ny fisian’ireo mpiambina ala eny ifotony izay mijery ireo mety ho loza ary manentana ireo olona manao izany mba hiala ao amin’ny Parka. Taorian’ny niforonan’I parka dia efa maro ny olona tratra ary nesorina hiala tao amin’ny parka ary fandrika ho an’ny gidro an-jatony no efa nesorina.
  • Ny ankamaroan’ny sisin’ny parka dia nasiana marika ahafantaran’ireo mponina ny verlan-tany arovana.
  • An-jatony maro ireo fianakaviana nahazo tohana tamin’ny fambolem-bary mampiasa tekinikam-pambolena vaovao (SRI-SRA) ka nampitombo ny voka-bary ho lasa 4.7 taonina isaky ny hekitara amin’ny ankapobeny fa mety mahatratra folo taonina izany raha 2.5 T monja ny vokatra nasionaly.
  • Fampiromboroboina ny asa fihariana kakao sy jirofo ho an’ny mponina  mba hampiakatra ny fidiram-bolany ary hampihena ny fiankinana amin’ny akora any anaty ala. Misy kaoperativa ho an’ny kakao izay miasa ankehitriny any amin’ny kaominina Voloina ka tafiakatra ho 300 kilao ny voan’ny kakao vokarina isan-taona. Misy kaoperativa iray hafa  ihany koa natsangana any Ambanitelo. Ho an’ny fampiromboroboina ny jirofo dia tokatrano 733 no nahazo fitaovana entiny mamokatra zana-jirofo.

Inona avy kosa ireo tanjona sy asa miandry an’i WCS amin’ny ho avy?

  1. Hampihena ireo fanapotehana ala ataon’ny olona mba hiarovana ireo gidro amin’ny fomba maharitra. Heverina hihena betsaka izany ao anatin’ny dimy taona.
  2. Hitandro ny fisian’ny fampifandraisana ireo ala mba hisian’ny fifanakalozana foto-tarazo amin’ny alalàn’ny famerenana ny ala ao amin’ny Paraka.
  3. Heverina ho 1.500 hekitara eo ny ala ho tafaverina. Hampihena ny fiankinan’ireo mponina amin’ny akora hita any anaty ala amin’ny alalàn’ny fanampiana tsy tapaka azy ireo hanana fijariana ara-tsakafo sy ahafahany manana asa fampidiram-bola samihafa.

Mandray olona hiasa an-tsitrapo ve WCS?

Noho tsy fahampiana ireo trai-kefa dia mila olona miasa an-tsitrapo amin’ireto sehatra manaraka ireto izahay: fanabeazana tontolo iainana, fampiromboroboina ny fizahan-tany, fampiasana teknika vaovao amin’ny fambolena sy famokarana, fitadiavana lalam-barotra maharitra, fanisana ireo gidro sy ireo biby rehetra misy ary ny zava-maniry rehetra ao anaty Parka.

Inona no asa ilànareo famatsiana amin’izao fotoana izao?

  • Fametrahana ny atao hoe “bio-inventories” na fanisana biolojika ao amin’ny parka
  • Fampiromboroboina ireo orinasana eny ifotony misahana ny fiarovana

Ahaona no ahafahanao Manampy?

 

Fankalazana ny dihin’ny varika maneran-tany 2018 andiany fahadimy : Resadresaka nifanaovana tamin’i Atoa Heritiana Dieu Donné RANDRIANATOANDRO

Nankalazaina tamin’ny zoma faha 05 oktobra 2018 lasa teo, teto Antananarivo ny dihin’ny varika maneran-tany, andiany fahadimy, izay nokarakarain’ny GERP. Maro ireo hetsika izay notanterahina. Nanomboka tamin’ny diam-be niarahana tamin’ireo vondrona tanora avy amin’ny sekoly ambaratonga ambony, ireo orinasa ary ireo fikambanana. Ary, nitohy tamin’ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny ANS Ampefiloha, ireo fanentanana maro izay notanterahin’ireo mpahay ara-java kanto ary ireo fampirantina. Nisy ihany koa ny laombary an-dasy narahina ady hevitra mitondra ny lohahevitra hoe “Harem-pirenena ny varika fa mbola ho voaaro ve?” natao tao amin’ny ENS Ampefiloha. Araho eto ny resa-dresaka nifanaovana tamin’ny mpandrindra ny hetsika Andriamatoa Heritiana Dieu Donné RANDRIANATOANDRO momba io fankalazana io.

Inona no tena naharesy lahatra anareo eo anivon’ny GERP amin’ny fanaovana hetsika goavana tahak’izao fankalazana ny dihin’ny varika maneran-tany izao ?

Ny fankalazana ny dihin’ny varika maneran-tany dia nanomboka tamin’ny taona 2014. Tonga amin’ny andiany fahadimy isika izao. Mahatsapa izahay ao amin’ny GERP fa tena mbola mila hamafisina ho antsika malagasy ny maha zava-dehibe ny fiarovana ny gidro na ny varika. Antony maro no mahatonga izany. Voalohany, efa fantatra fa mihena dia mihena ny velaran-tany misy ala eto Madagasikara. Ny varika anefa dia biby miaina anaty ala ka rehefa potika ny ala dia ho lany tamingana ireo varika. Ka mahatsapa izahay fa noho ny fahasimban’ireo ala fonenan’ny varika dia ilaina ny fanamafisana ny fanentanana tahaka izao. Faharoa, tao anaty ny taona vitsivitsy izay dia hita ihany koa fa nitombo ny fihazàna ireo varika mba atao sakafo. Ireo olona eny ifotony izay tsy manana sakafo ampy intsony no matetika mihaza ireny gidro ireny. Ny antony fahatelo, dia hita ihany koa fa lasa ataon’ny olona biby fiompy ny varika. Nefa ny varika tsy tahaka ireo biby fiompy toy ny akoho ka azo ompiana an-trano. Mety hamindra aretina amin’ny olombelona izy ireny ka tena tsy mety ary voararà ny lalàna ny fiompiana azy.

Noho ireo antony ireo ary ny noho maha harem-pirenena ny varika, satria isika Malagasy ihany no manana azy ireo, 112 izao no karazana varika efa fantatra fa misy eto Madagasikara, dia mahatsapa izahay eo anivon’ny GERP fa laharam-pahamehana ny fanentanana amin’alalàn’izao fankalazana ny dihin’ny varika maneran-tany izao.

Ela ny ela fa mahatsapa tena isika Malagasy fa tokony arovana ny varika, fa mbola tokony hamafisina izany. Izany indrindra no antom-pisian’izao fankalazana ny dihin’ny varika maneran-tany izao.

Iza avy ireo mpiara-miasa sy mpiara miombon’antoka ary ivo-toerana miankina na tsy miankina ara-panjakana miaraka amin’ny GERP amin’izao hetsika izao ?

Maro ireo mpiara-miasa sy ireo mpiara miombon’antoka izay efa niaraka tamin’ny GERP tamin’ny fankalazana ny dihin’ny varika maneran-tany nanomboka tamin’ny andiany voalohany, tamin’ny taona 2014 ka hatramin’izao. Tamin’ity andiany fahadimy ity dia nohamafisina izany fiara-miasa izany. Niara-miasa tamin’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena izahay tamin’ny alalàn’ny fandefasana ilay horonan-tsary fanentanana mitondra ny lohateny hoe “Island of Lemurs Madagascar” tao amin’ny Plaza Ampefiloha. Ireo Ministera hafa toy ny Ministeran’ny kolo-tsaina ary ny vakoka, Ministeran’ny fizahan-tany ary Ministeran’ny fampianarana ambony sy fikarohana siantifika ary ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny ekolojia dia miara- miasa amin’ny GERP avokoa amin’ny fanantanterahina izao hetsika izao. Ny mpanohana ara-bola dia ny Houston Zoo izay nanohana ara-bola tamin’ity fankalazana andiany fahadimy ity.

Ny GERP dia miara-miasa akaiky ihany koa amin’ny UNESCO indrindra amin’ny famolavolana ireo antontan-taratasy mba hisian’ilay andro maneran-tany ho an’ny varika eo anivo’ny sehatra iraisam-pirenena. Ny biby maneran-tany izay manana ny toerana maha zanatany azy na ilay atao hoe “endemicité” mantsy dia manana ny atao hoe “journée mondiale” ho azy irery ihany. Tokony hanana izany ny varika ka eo amin’ny dingana fametrahana ny antontan-taratasy fangatahana izany eo anivon’ny firenena mikambana izahay amin’izao fotoana izao. Tao anatin’zao fankalazaa izao dia maro ihany koa ivo-toeram-pampianarana na institut supérieur ary ireo fikambanana na ONG misehatra amin’ny fiarovana ny gidro no namaly ny antso ka tonga nanatevin-daharana tamin’izao hetsika izao.

Anisan’ny hita ao anatin’ny fankalazana ny dihin’ny varika maneran-tany fa tena manao fanentanana manokana ho an’ny tanora ianareo, inona no tena anton’izay ?

Iarahantsika mahalala fa raha mijery ny salan’isa ny mponina malagasy isika dia fantatra fa tanora no betsaka. Raha mijery ny fiarovana ny varika ny amin’ny ho avy isika, fa tsy ny efa lasa, dia mazava ho azy fa eo ampelatanan’ireo tanora ireo ny fandraisana andraikitra amin’izany fiarovana izany. Na dia izany aza ilaina dia ilaina tokoa ireo olon-dehibe hanoro hevitra sy hizara trai-kefa fa ny tanora no ho mpanapan-kevitra rahampitso amin’izay ho avin’ny firenena sy ireo fananany. Noho izany, raha mahatsapa ny maha zava-dehibe ny fiarovana ny varika ny tanora dia inoana fa izy ireo no hiaro ny gidro ary hanentana ny hafa eo amin’ny sehatra misy azy indray any aoriana.

Ny tanora no mpanapa-kevitra rahampitso ka tokony ho tsapany dieny maha tanora azy izao ny maha-zava dehibe ny fiarovana ny harem-pirenena tahaka ny varika.

Inona kosa ny vokatra azo tsapain-tanana azo ambara amin’izao fankalazana ny dihin’ny varika maneran-tany atao eto Antananarivo izao ?

Vokatra tena azo tsapain-tanana ho an’ny fankalazana ny dihin’ny varika dia ny fisian’ireo karazana zanaka hetsika fankalazana eny anivon’ny faritra. Tamin’ny voalohany, teto Antananarivo irery ihany ny dihin’ny varika no nankalazaina fa ankehitriny kosa efa miely eny anivon’ny faritra izany. Fantatra mantsy fa eto Antananarivo dia tsy dia maro ny toerana misy ny varika ka noho izany nampihetsi-po ireo izay any amin’ny faritra izay maro varika ny hetsika teto Antananarivo ka naharesy lahatra azy hanohana sy hanantanteraka hetsika ihany koa.

Fantatra ihany koa fa ny any ivelany dia tena maro ny fikambanana no mankalaza ny dihin’ny varika; koa nahaona isika eto izay manana no tsy hanantanteraka fankalazana lehibe tahaka izao dihin’ny varika maneran-tany izao?

Noho izany, misy ny hetsika atao hoe “dihin’ireo bandro” any Alaotra. Nisy ihany koa ny “Festival des Indri” tany Andasibe ary ny “Festival des Komba” any Diego. Ny tanjona dia ho ezahina ho tanterahina isaky ny faritra  ny hetsika.

Inona ny hafatra tianao ho ampitaina ho an’ireo mpamaky ?

Harem-pirenena ny varika ary harena ho antsika Malagasy. Ny firenena maro samifaha dia samy manana ny biby mampiavaka azy ary reharehany izany biby izany. Ny varika na ny gidro no biby mampiavaka antsika maneran-tany. Nefa, iaraha-mahalala fa potika ny tontolo misy azy, miha lany tamingana izy ireo. Koa ndeha ataontsika fanamby no manome sehatra lehibe an’ireo gidro raha miresaka an’i Madagasikara isika. Ary rehefa tsy arovantsika izao ny gidro, dia rehefa tsy hisy intsony ve izy ireo izay isika vao hifanome tsiny ? Fotoana izao ahafahana manoratra tantara vaovao amin’ny fiarovana ny varika.

Fankalazana ny Dihin’ny varika maneran-tany 2018

Manentana antsika rehetra mpikambana eto anivon’ny LCN sy ireo rehetra izay tia varika mba hiara hankalaza aminay ny dihin’ny varika maneran-tany amin’ity taona 2018 ity. Ankalazaina eto Madagasikara sy maneran-tany mandritra ny volana oktobra ity hetsika ity. Karakarain’ny GERP ny dihin’ny varika maneran-tany eto Antananarivo. Araho eto amin’ity rohy facebook ity ny andinidiny mikasika izany.

Natao ho fanentanana anisan’ny lehibe indrindra ny amin’ny fiarovana ny varika ny hetsika “dihin’ny varika maneran-tany”. Ary koa, ampatsiahivana antsika fa ny varika : harem-pirenena, namana ka tokony arovana. Ho antsika rehetra ny nanaovana ny dihin’ny varika maneran-tany : ho an’ireo tia varika, ireo mpiaro ny zava-boajanahary, ireo mpikaroka, ireo mpianatra, ireo artista, ireo ankizy, ireo ray aman-dreny, fa ho ANAO indrindra koa!

Ny mombamomba ny dihin’ny varika maneran-tany

Ny dihin’ny varika maneran-tany sy ny sary namboarina manokana amin’izany

Tamin’ity taona ity, ny sary dia namboarin’i Lynne Venart izay mpiasa an-tsitrapo eto amin’ny Lemur Conservation Network ary i Lauren Petronaci avy amin’ny Lemur Love.

Entaninao ianao hampiasa ireo sary ireo, hizara eny amin’ny tambazotra sosialy ho fanentanana ny amin’ity hetsika ity. Fa afaka mampiasa ny logo an’ny fikambanana misy anao ihany koa ianao.

 

Ny salotra na tee-shirt namboarina tamin’ity taona 2018 ity

Jereo fa maro ireo loko sy ireo sary natao amin’ireto tee-shirt ireto.

Ny vola azo amin’ny famarotana izy ireo any ivelany dia omena manontolo hoan’ny mpikambana LCN iray miaro ireo karazana sifaka ahiana ho lany tamingana. Safidiana ankitsapaka ny mpikambana ka araho tsy tapaka ny tranonk’ala ny LCN ahafantaranao izay hahazo ny fanomezana.

Entano ny namana eny amin’ny tambazotra sosialy!

Zarao ny fitiavanao varika eny amin’ny amin’ny tambazotra sosialy.

* Ampatsiahivina isika fa tsy mety ary tena entanina mafy ny tsy fizarana sary miaraka amin’ny varika na horonan-tsary mampiseho fifandraisan’ny olona sy ny varika. Satria na dia mahafinaritra no mijery azy ireny dia mampirisika ny fananàna varika ho biby fiompy izany, izay tena voararà ny lalàna. Indro ny rohy manazava izany bebe kokoa. 

  • Zarao ny sarinao misalotra akanjo miendrika varika na misy sary varika ary asio ny hashtag hoe #WorldLemurDay and #LetsSaveLemurs- Ho zarainay eny amin’ny pejy Facebook ireny sary ireny!
  • Eny amin’ny facebook, ovao ny “photo de profil” ho sary mamantatra ny dihin’ny varika maneran-tany na ny varika tianao indrindra. Ovao ihany koa “ny photo de couverture” ka asio ny sary miendrika hoe “tiako ny varika”.
  • Mandefa sarin’ny varika tianao na hiasanao amin’ny fikambanana misy anao.
  • Entano ny namana hiaro ny varika ka hanampy ireo fikambanana miaro azy ireo.
  • Ampiasaho ny hasthag hoe #WorldLemurDay na #LetsSaveLemurs eny amin’ny tambazotra misy anao.

 

Mpikambana ato amin’ny LCN mandritra ity volana ity : Fikambanana Mitsinjo

Ny fikambanana Mitsinjo no mpikambana ato amin’ny Lemur Conservation Network amin’ity volana ity Aogositra ity.  Araho eto ny resaka nifanaovana tamin’i Rainer Dolch, izay Tale mpandrindra ny fikambanana Mitsinjo izay nizara ny momba ny fikambanana, ny asany ary ny ahafahantsika hanampy azy ireo hiaro ny gidro sy ala misy azy.

 

Mba zarao aminay ny tantara sy ny mombamomban’ny fikambanana

Ny fikambanana Mitsinjo dia niforona tamin’ny taona 1999 ary nitsangana avy amin’ny finiavan’ireo fokonolona mpikambana miisa 13 avy ao amin’ny tanànan’i Andasibe. Tamin’ny niforonany tany am-boalohany dia fikambanana mpitaridia ireo mpizaha-tany ny fikambanana, ary nanomboka nampiasa ireo fahaiza-manao sy trai-kefany tamin’ny fiarovana ny zava-boahary hita ao amin’ny faritra ireo mpikambana. Nandritra izay taona maro niforonany izay, ary satria niara-nivoatra tamin’ny mponina izay miara-miasa aminy izy, ny fikambanana Mitsinjo, dia nivelatra ka lasa fikambanan-dehibe miandidy ny fiarovana ireo zava-boahary manerana ny faritra misy azy izy ankehitriny.

Ny fikambanana Mitsinjo dia ao amin’ny kaominina Andasibe, any Atsinanan’i Madagasikara

Ny tanjony dia ny mampifandray ny fiarovana sy ny fampandrosoana maharitra, mitazona ireo harena ekolojika amin’ny alalàn’ny fitantanana ny ala mando, ny famerenana ny ala ary ny fanomezana fidiram-bola hafa sy manaja ny tontolo iainana ho an’ireo mponina ifotony (amin’ny alàlan’ny fizahan-tany, fikarohana sy maro hafa).

Aiza no misy ny fikambanana ary inona avy ireo asa?

Ao Andasibe no misy ny foiben’ny fikambanana Mitsinjo, distrikan’i Moramanga ary faritra Alaotra-mangoro. Mitantana ny alan’i Analamazaotra (Alan’i Mitsinjo) izay ala mando mirefy hekitara aman-jato maro izay mifampitohy amin’ny ala-java-boahary nasionaly arovana Andasibe- Mantadia izy. Fototra nahazoana ny toerana ao Torotorofotsy ho lasa “Site Ramsar” izy, io toerana io moa dia tantaniny miaraka ireo mpiara-miomban’antoka hafa.

Ny tavy no anisan’ny loza lehibe indrindra mihatra amin’ireo gidro sy ireo fonenany any amin’ny faritra Andasibe.

Ankehitriny, 60 ireo mpikambana sy mpiara-miasa ao amin’ny fikambanana Mitsinjo ary monina ao Andasibe avokoa izy ireo.

Ny vola azo amin’ny alalàn’ireo asa fizahan-tany ataon’ny fikambanana dia omena avy hatrany ireo mponina ao ifotony ary arotsaka ampandehanana ireo tetikasa maro momba ny fiarovana ataon’i Mitsinjo.

Inona ireo karazana gidro iasanareo?

Babakoto

Indri indri na babakoto no gidro tena fantan-daza ao Andasibe, gidro izay mahery feo ka afaka heno any amin’ny roa kilometatra misy azy. Miaro tarika babakoto sivy ao amin’ny faritra misy ny alan’i Analamazaotra ny fikambanana Mitsinjo. Ny roa amin’izy ireo dia zatra mahita olona ka afaka tsidihana miaraka amin’ireo mpitaridia mpikambana.

Indri indri na babakoto no gidro tena fantan-daza ao Andasibe izay arovana ao amin’ny ala tantanin’i Mitsinjo

Godrogodroka

Noho ny fiaraha-miasa akaiky tamin’ireo olona ao ifotony dia nahita ilay karazana gidro (Prolemur simus) indray ny fikambanana Mitsinjo. Hita tao akaikin’ny Andasibe io karazana gidro io ary noheverina fa efa lany tamingana ao amin’io faritra io izy efa ho taon-jato iray izao! Niteraka fikarohana hafa ny fahitana io gidro io ary koa fanaraha-maso hafa izay nahafahana nanitatra ny velaran-tany fonenana izay fantatra fa tokony hisy azy.

Fanaraha-maso ireo karazana gidro 14 ataon’ny mponina eny ifotony

Raha atambatra dia miisa 14 ireo karazana gidro misy ao amin’ny alan’ny Torotorofotsy ary manodidina ny lakan’Ihofa. Ny fikambanana Mitsinjo dia miezaka ny mamantatra ireo mponina gidro rehetra ary ireo izay ahiana ny fivelomany. Izany dia atao amin’ny alàlan’ny fanaraha-maso izay ataon’ny mponina eny ifotony.

Ireo karazana gidro tena araha-maso akaiky dia ireo izay tafiditra ho isan’ny gidro tena ahiana dia ahiana ho lany tamingana– babakoto (Indri indri), Simpona (Propithecus diadema), varika (Varecia variegata), and Godrogodroka (Prolemur simus). Na izany aza, ireo karazana gidro folo sisa dia iasana ihany koa.  Dia ireo Hay hay (Daubentonia madagascariensis), Tsidy an’i-Goodman (Microcebus lehilahytsara), Tsidiala (Allocebus trichotis), Matavirambo (Cheirogaleus crossleyi), Tsitsihy (Cheirogaleus major), Bokombolo (Hapalemur griseus), Tongona (Eulemur rubriventer), Varika (Eulemur fulvus), Fotsife (Avahi laniger) and Hataka (Lepilemur mustelinus).

Inona avy ireo asa atao izay manampy amin’ny fiarovana ireo gidro sy ireo asa hafa?

Fizahan-tany sy fikarohana

Ny fidiram-bolan’ny ny fikambanana Mitsinjo dia avy amin’ny fizahan-tany. Afaka mitsidika ny ala mando izay tantanin’i Mitsinjo mantsy ny mpizaha-tany ka mijery ireo gidro miaraka amin’ireo mpitaridia nahazo fiofanana manokana. Maro ireo zotra sy lalan-kely azo aleha ao anaty ala eny fa na dia amin’ny alina aza. Misy ihany koa ny fianihàna eny amin’ny hazo azo atao miaraka amin’ny GasiClimb, izay fikambanana matihanina amin’ny fianihàna hazo avy amin’i Mitsinjo.

Manao fikarohana manokana ho an’ny gidro ny fikambanana Mitsinjo. Eto amin’ny sary dia ny “collier radio” izay andramana apetraka amin’ireo gidro.

Ny vola azo amin’izany dia arotsaka amin’ny ampahany ho famatsiana ny tetikasa fiarovana ny gidro ao aminay. Fa miantso matetika ireo Malagasy sy vahiny mpikaroka ihany koa izahay ary manentana azy ireo hizara ny valim-pikarohana ataony izay hanampy anay hanatsara ny fomba fitantanana sy ireo ezaka atao amin’ny gidro sy ny zava-boahary amin’ny ankapobeny. Ny fisian’ireo mpizahan-tany sy mpikaroka no mampihena ireo mpihaza gidro sy ireo mpitetikala.

Tetikasa famerenana ala

Manana tetikasa lehibe mikasika ny famerenana ny ala mando ny fikambanana Mitsinjo. Nandritra ny taona maro, dia namboly zava-maniry hita ao amin’ny ala mando efa ho iray tapitrisa izahay (izay karazana zava-maniry miisa 150), izay namptimboina ao anaty taninketsa. Noho ny fanohanan’ny fikambanana ho an’ny fiarovana ny natiora avy any Finlande ary ireo mpanohana kely hafa dia mbola mitohy io asa lehibe amerenana ny fonenan’ny gidro io (ary ny famoronana ala mampitohy ireo ala efa misy).

Afaka mandray anjara amin’ny fambolen-kazo ireo mpizahan-tany sy ireo mponina mpikambana eny ifotony.

Tetikasam-panabeazana

Ny famerenana ny ala dia isan’ny tetikasam-panabeazana ataon’ny ny fikambanana Mitsinjo. Mampianatra an’ireo ankizy mpianatra 8 ka hatramin’ny 10 taona izahay amin’izany.

Mpianatra miisa 450 no manaraka ny fampianarana momba ny fiarovana ny tontolo iainana izay omen’ny fikambanana Mitsinjo.

Eo am-pilalaovana, dia afaka mianatra momba ny tontolo iainana, ny zava-boahary sy ny ekolojia ao amin’ny faritra misy aazy ireo ary ny antony maha-zava-dehibe ny fiarovana izany ho ani’reo olona sy ny biby. Mianatra any anaty lakilasy sy any anaty ala ireo ankizy.

Voakasik’io tetikasa io avokoa ny mpianatra any amin’ny ambaratonga voalohany ao amin’ny kaominina Andasibe. Io tetikasa io moa dia efa tafiditra ao anaty programam-pampianarana. Mianatra mitia ny zava-boahary izy ireo amin’ny alalàn’ny fianarana ny tontolo iainana sy ny gidro ary manantena izahay fa hampitombo ny fanentanana momba ny fiarovana izy ireo rehefa any lehibe.

Fiarovana ireo sahona amin’ny alalàn’ny fametrahana toerana voalohany eto Madagasikara ampitomboina ireo sahona

Ankoatran’ireo gidro dia manaraha-maso ireo sahona ihany koa izahay. Ny fikambanana Mitsinjo ny hany voalohany mitantana ny toeram-piterahana sy ampitomboina ireo sahona antsoina hoe “toby sahona”. Ankoatran’ireo fanimbana ala sy toeram-ponenany mantsy dia anisan’ny loza mihatra amin’ireo sahona ihany koa ny aretina atao hoe chytridiomycosis.  Rehefa mitombo ny fahalalàna azo momba ny fiterahana sy fitomboan’ireo karazan-tsahona ao Andasibe dia manantena i Mitsinjo fa ho vonona kokoa any aoriana, hiady amin’ny fandrosoana ho avy, izay mety hiteraka ny fahafatesan’ireo karazan-tsahona misy any anaty ala.

Ny sahona izay sady mpihinana no hanin’ireo karazan-biby hafa, dia manana anjara-toerana lehibe eo anivon’ny tontolo misy azy ao amin’ny ala mando Malagasy. Ny fahasalaman’ireo sahona dia anisan’ny marika hijerena ny fahasalaman’ireo ala sy ireo karazan-biby hafa toy ny gidro.

Inona avy ireo zava-bita vao haingana?

Fiarahana manaraha-maso ireo gidro sy ireo loza mihatra aminy miaraka amin’ireo mponina eny ifotony

Niara-niasa akaiky tamin’ireo mponina avy ao amin’ny faritra Torotorofotsy-Ihofa ny fikambanana Mitsinjo mba hametrahana tetiandro fanaraha-maso atao ho an’ireo karazana gidro sy ireo loza mihatra aminy. Nahazo fiofanana manokana ireo mponina ao ifotony amin’ny fomba fanangonana ireo zava-misy maro-pototra sy ilaina.

Atrikasa natao tao amin’ny foiben’i Mitsinjo niaraka tamin’ireo fikambanana hafa lehibe mpiaro ny ala

Anisan’ny valiny voalohany ny fahitana fa ireo loza mihatra amin’ireo gidro toy ny fanimbana ala amin’ny alalàn’ny tetik’ala dia nihena noho ny fisiana fotsiny ihany ireo mpanaraha-maso.

Fikambanan’ireo vehivavy manao asa tanana

Nanentana ireo vehivavy ihany koa izahay hanangana kaoperativa amin’ny fanaovana asa-tanana ao Menalamba (Torotorofotsy). Mahazo fidiram-bola manokana ireo vehivavy avy amin’ny fanjairana sy fanamboarana ireo kojakoja vita tanana. Ny zava-maniry ilaina amin’izany dia maniry any amin’ireo toerana mando sisa ao amin’ny site Ramsar. Amin’izay fotoana izay, dia tsy mivadika ho toeram-pambolena intsony ireo toerana izay anirian’ireo hazo ilaina ireo. Io fidiram-bola fanampiny, izay azo avy amin’ny fanaovana asa-tanana, ho an’ny fianakaviana io dia anisan’ny mampihena ny fiankinan’ny fivelomana amin’ny fambolena tsy maharitra toy ny tavy ary noho izany anisan’ny miaro ny fonenan’ny gidro io.

Ivo-toerana momba ny fanabeazana ny fiarovana ny tontolo iainana

Farany, vao vetivety, nanangana ivo-toerana natokana ho an’ny fanabeazana ny tontolo iainana ny fikambanana Mitsinjo. Izy io dia natao ho lakilasy fianaran’ireo ankizy ireo tetiandro momba ny tontolo iainana. Fa afaka mianatra momba ny gidro sy ny tontolo iainany ihany koa ireo olon-dehibe mpitsidika avy amin’ny mponina na avy any ivelany.

Inona avy kosa ireo tanjona sy asa miandry amin’ny ho avy?

Ny tena tanjonay ao aoriana dia ny ahafahan’ireo mponina ao ifotony hivelona amin’ny fampiasana ireo zava-boahary any an-toerana sady miaro ny haren-zava-boahary misy ao Andasibe.

Miara-miasa akaiky amin’ny mponina eny ifotony ny fikambanana Mitsinjo mba ahafahan’izy ireo mivelona amin’ny fampiasana ireo akora eny an-toerana amin’ny fomba maharitra sy mba ampitombo ny fari-piainany.

Mba hanantanterahina izany, dia zava-dehibe loatra ny fiaraha-miasa miaraka amin’ireo mpiantsehatra rehetra misy ao amin’ny faritra.

Matetika mantsy, ny fanentanana amin’ny fiarovana dia arahina kolikoly na tsy fandraisan’ireo tompon’andraikitra sy mpanapa-kevitra andraikitra.

Ka amin’izany dia manantena izahay fa ny fiarovana dia ho lasa voalohan-draharaha ho an’ireo mpanao politika ao amin’ny faritra any aoriana fa tsy lasa faniriana lava fotsiny ihany.

Mandray olona hiasa an-tsitrapo ve ny fikambanana Mitsinjo?

Ny fikambanana Mitsinjo dia tsy dia manana fahafahana loatra mandray ireo olona hiasa an-tsitrapo. Fa ny tena tsara indrindra, dia ny fahafahan’ireo mpilatsaka an-tsirapo hanao asa mahaleo-tena amin’ny tetikasa izay azy manokana. Mandray ireo olona hiasa an-tsitrapo izay efa voadinika ny tetikasany izahay ka hita fa mety hanampy anay  hanatsara bebe kokoa ireo asa atao amin’ny fiarovana.

Inona no asa ilànareo famatsiana amin’izao fotoana izao?

Amin’izao fotoana izao, dia mila fanampiana amin’ny :

  • Fanatsarana sy ny fanamboarana ny birao fandraisana ary,
  • Fanamboarana sy fanitàrana ny toerana taninketsa izay lasan’ny tondra-drano.

Ahaona no ahafahanao manampy?

Tsidiho ny pejy Fikambanana Mitsinjo eto amin’ny Lemur Conservation Network

Manomeza ho an’ny fikambanana Mitsinjo eto amin’ny alalàn’ny “Amphibian ark”

Raha te-hitsidika ny fikambanana Mitsinjo

Ny fikambanana Mitsinjo dia mitantana toeram-pitsidihana ho an’ireo mpizahan-tany eo akaikin’ny ala arovana Andasibe. Ho hitanao ny birao eo amin’ny ankavian-dalàna rehefa makany amin’ny tanànan’Andasibe, roa kilaometatra mivoka ny lalam-pirenena faharoa mampifandray an’Antananarivo sy Toamasina ary roan-jato metatra alohan’ny ala-java-boahary nasionaly arovana Andasibe.

Raha te-hahalala bebe kokoa momba ny fitsidihana ny fikambanana Mitsinjo

Mpikambana ato amin’ny LCN mandritra ity volana ity : Planet Madagascar

Planet Madagascar no mpikambana ato amin’ny Lemur Conservation Network nizara ny momba azy, ny asany ary ny ahafahantsika hanampy azy ireo hiaro ny gidro sy ala misy azy.

Mba zarao aminay ny tantara sy ny mombamomba an’i Planet Madagascar

Planet Madagascar dia fikambanana tsy miankina ara-panjakana kanadianina nitsangana tamin’ny taona 2015. Miara-miasa amin’ny masoivoho any Madagasikara (Planet Madagascar association) mba iaro ny gidro/varika sy ny ala iainany ary mba hanampy ny fiveloman’ireo olona izay monina akaik’ireo gidro ireo.

Ny tantara niforanan’i Planet Madagascar dia avy amina aretina azon’ny zazavavy iray rehefa narary mafy satria tratra ny aretina izay azo nosorahana sy azo tsaboina tsara. Ka nahita izany i Travis Steffens, izay filoha mpamorina ny fikambanana, raha sendra nanao fikarohana mikasika ny gidro tao amin’ny ala-javaboahary arovana na ny parc nasionaly ao Ankarafantsika, fikarohana ahazoany ny diplaoma doctorat. Tamin’izay fotoana izay, dia tsapan’i Travis fa ny fahombiazana azo avy amin’ny ezaka atao ianarana ny gidro dia zava-poana ihany raha tsy misy ezaka mitovy lenta atao amahana ireo olàna izay mianjady amin’ny mponina izay mifandray mivantana amin’ireto gidro. Noho izany, fomba fiasa mampiaraka ny lafin-javatra maro ho iray no ataonay amin’ny fiarovana ny zava-boahary ary mijery manokana ny filàna sy ireo tombon-tsoa an’ireo mponina izay miara-miasa aminay izahay.

Aiza no misy an’i Planet Madagascar ?

Planet Madagascar dia miara-miasa akaiky amin’ireo mponina maro monina manamorona ny parc nasionaly ao Ankarafantsika any Avaratra andrefan’i Madagasikara. Ala maina ary ala-javaboahary sisa arovana any amin’ny faritra Avaratra andrefan’i Madagasikara ny parc nasionaly ao Ankarafantsika. Na dia ala arovana ary anefa i Ankarafantsika, dia misy hatrany ny fanimbana ny ala noho ny afo, ny tetik’ ala amin’ny famokarana saribao na amin’ny fanamboarana trano, ny tavy, ny firaofana ireo biby fiompy any anaty ala ary ny fangalana foto-kazo madinika (Kun-Rodrigues et al. 2013).

Ny toerana tena iasanay dia manamorona ireo tanàna misy ireo fokonolona telo izay monina 12 kilometatra miala an’ireo biraon’i Parc nasionaly ao Ankarafantsika. Manao fanadihadiana mikasika ireo foto-piveloman’ireo mponina ireo izahay mba ahafantaranay tsara ireo filàny sy ireo zavatra angatahiny, ary izany dia manampy anay amin’ireo asa izay ataonay amin’ny fiarovana ny zava-boahary. Nanomboka tetik’asa mikasika ny fanabeazana amin’ny fiarovana, ny fanaraha-maso ny ala, ny fandrindrana ny afo, ny tetik’asa miompana amin’ny famerenana ny ala ary ny fambolena mifamdimby amin’ny ala vadim-boly (agroforesterie) izahay. Ireo tetik’asa rehetra ireo dia natsangana avy amin’ny valin’ny fanandihadiana izay natao. Rehefa izany, nanitatra sy nampiditra fanabeazana mikasika ny fiarovana ny zava-boahary tamina fokonolona miisa 20 izay monina manodidina ny parc izahay.


Inona avy ireo karazana gidro iasanareo ?

Miasa ho an’ny fiarovana ny ala misy ireo karazana gidro valo misy any amin’ny Parc nasionaly ao Ankarafantsika izahay, ny dimy amin’izy ireo dia voasokajy ho ahiana ho lany tamingana araka ny IUCN Redlist. Ireo gidro dia ny Tsibahaka (Propithecus coquereli), Komba mainty (Eulemur fulvus) Komba (Eulemur mongoz), Repahaka (Lepilemur edwardsi), Fotsife (Avahi occidentalis) Matavyrambo (Cheirgaleus medius), Tsidy (Microcebus ravelobensis) ary Koitsiky (Microcebus murinus).

Samy manana ny anjara asany avy izy ireo ao anaty ala izay iainany ary samy manana ny filàny. Miezaka izahay ny mampifandraika hatrany ireo ezaka atao amin’ny fiarovana, amin’ireo valin’ny fikarohana atao momba ny fiarovana ireo karazana gidro ireo.

Inona avy ireo asa ataon’i Planet Madagascar izay manampy amin’ny fiarovana ireo gidro?

Ny tetik’asan’i Planet Madagascar dia miompana indrindra amin’ ny fiarovana, ny mponina ary ny fanabeazana. Miara miasa akaiky amin’ny mponina izahay mba hanatsarana ny fari-piainan’ireo vahaoka monina eto Madagasikara ary miaro ireo gidro sy ny toerana misy azy.

Fiarovana

Ny anarana itondranay ny tetik’asa momba ny fiarovana dia “Salama Atiala” izay nanomboka ny taona 2015. Ao anatin’io tetik’asa io dia misy ny fijerena ny fandrindrana ny afo ary ny famerenana ny ala. Mampiasa olona any ifotony izahay izay avy amin’ireo mponina ihany mba hiaro sy hanara-maso ny ala amin’ny alalàn’ny fametrahana aro afo sy ny teknika fanaraha-maso manokana ary ny famerenana ny ala amin’ny alalàn’ny fambolen-kazo. Mahazo karama ireo mponina amin’izany asa izany ka izany no ahafahany mampitombo ny fidiram-bolany.

Fokonolona

Ny fomba fiasanay amin’ny fiarovana dia miompana amin’ny filàn’ny mponina ka miankina betsaka amin’ny fahazoanay ireo olàna izay mitranga sy filàn’ireo mponina. Miara miasa akaiky amin’ireo fokonolona izahay amin’izay asa rehetra ataonay amin’ny alalàn’ny fanadihadina na fivoriana matetika ataonay. Izano no atao dia ny mba ahazoanay tsara ny fomba fandraisain’ireo mponina ny fiarovana ny ala sy ny gidro ka ahafahanay mampahanfatantatra tsara azy ireo ny tetik’asa momba ny fiarovana ataonay.

Fanabeazana

Amin’ny tetik’asa rehetra ataonay dia ampidiranay hatrany ny rantsana mikasika ny fanabeazana momba ny fiarovana satria mino izahay fa miankina betsaka amin’ny fanabeazana ifotony ny fahombiazan’ireo tetik’asa rehetra. Ohatra amin’izany, nametraka fiofanana ho an’ireo olon-dehibe ao an-tanàna izahay mikasika ny fomba anabeazana ireo ankizy momba ny fiarovana zava-boahary. Isan-taona, mikarakara andro iray antsoina hoe “andro fandraisana andraikitra mikasika ny afo” izahay ho an’ny mponina ao Ankaranfantsika mba ahaizan’izy ireo ny andraikitra raisina manoloana ny fiparitahan’ ny afo. Ary farany, vao vetivety izao, dia miara-miasa amin’ny Chris Staffe izahay izay mpamokatra horonan-tsary matihanina, mba hamokatra horonan-tsari-mpanabeazana ary ireo fitaovana entina manabe. Amin’ny teny Malagasy io horonan-tsary io, miaraka amin’ny olona Malagasy ary Malagasy ireo olona mijery azy io. Miresaka indrindra ireo loza mitranga amin’ny gidro monina akaikin’izy ireo io horonan-tsary io ary mampahafantatra ny fomba atao miaraka amin’ny Planet Madagascar mba hiadiana amin’ireo loza ireo.

Inona avy ireo zava-bita vao haingana?

Maro ireo zava-bita izay nahitam-pahombiazana fa ny tena akaiky indrindra dia nahafahanay nanampy fikambanam-behivavy iray izay miasa ho an’ny fambolena mifandimby ala vadim-boly maharitra sy famerenana ny ala. Io fikambanana io dia manome voa ho an’ny tetik’asa famerenana ny ala. Na izany aza anefa, ny tena zava-bita mahafa-po dia ny fahafahan’izy ireo nanovo fomba fiasa vaovao atao hoe fambolena mifandimby ala vadim-boly maharitra. Io fomba fiasa io dia atao mitovy amin’ny fahazoana voka-pambelona natoraly ahazoana vokatra ambony. Raha mahomby io tetik’asa iray io dia hitarina manerana ny faritra misy ny ala-javaboahary arovana na ny parc.

Inona avy kosa ireo tanjona sy asa miandry amin’ny ho avy?

Ny tena tanjonay dia ny hametrahana ala maharitra ho an’ny vahaoka. Ny zavatra tadiavinay dia ny mba ananan’ny vahaoka fahefana hivelona tsara ka voaaro hatrany ny gidro sy ny toerana iainany. Midika izany fa mila mitondra vahaolàna maharitra mikasika ny rano, fahasalamana, fahadiovana, fanabeazana izahay sady manohy miaro ny gidro sy ireo toerana iainany. Na dia miompana betsaka amin’ny fiarovana ny olona sy ny gidro ary ny ala ny asanay, ny fiarovana ny alan’i Ankaranfantsika ahafahan’ireo gidro hafa, ahiana ho lany tamingana, hiaina tsara no tanjona manaraka. Ny zava-misy anefa dia manamarina fa mbola mila an-taona maro vao ho tratra izany tanjona izany kanefa manantena izahay fa hahazo valiny azo tsapain-tanana ihany eny an-dalan-mpiasana.

Mandray olona hiasa an-tsitrapo ve i Planet Madagascar?

Tena liana amin’ny fanohanan’ireo olona miasa an-tsitrapo hatrany izahay, indrindra fa ireo olona tena manam-piniavana hiasa sy hanome hevitra sy tetik’asa azo tanterahina avy hatrany. Satria fikambanana kely izahay, dia maniry indrindra izahay ny mba hanantonan’ireo olona hiasa an-tsitrapo anay miaraka amin’ireo hevitra sy asa afaka ataony mba hanampiany anay ary ny fotoana izay afaka ho laniany amin’izany fanaovana asa izany. Taloha, nandray olona niasa an-tsitrapo izahay, tamin’ny fotoana izay nikarakarainay asa momba ny fanabeazana tany Canada, ka nanome anay ny fahaizany amin’ny famoronana sy fananganana tetik’asa izy ireo ary ihany koa nanampy tamin’ny fitadiavana famatsiam-bola.

Inona no asa ilànareo famatsiana amin’izao fotoana izao?

Amin’izao fotoana izao, dia mila famatsiana izahay hanampy anay hampitombo ny vola ilaina amin’ny fanitarana ny tetik’asa mikasika ny fandrindrana ny afo sy ny famerenana ny ala ary ny fanitarana ny tetik’asa momba ny fambolena mifandimby ala vadim-boly maharitra.

Ahaona no ahafahanao manampy?

Tsidiho ny tranokalan’i Planet Madagascar eto

Manomeza eto

Andasibe: Oronantsary iray momba ny fandripahana ala eto Madagasikara (Tapany 1)

“Ity lahatsoratra ity dia dika tenin’ilay bilaogy nosoratan’i Denise sy Marc Dragiewicz izay mpiara-mitantana ny famokarana ilay sarimehitsika/orinantsary iray izay notanterahina tamin’ny faritr’i Anadasibe iny. Izy ity moa izany dia mijery manokana ihany koa ireo ezaka izay ataon’ny mponina eny ifotony manoloana ny fiarovana ieo gidro/varika sy ny ala.”

 Roso ny dia-  Ela niandrasana, fa tonga ihany ilay fotoana izay nandrasanay, dia ny fikasanay  mivady ny ho an’i Madagasikara mba  hanao orinantsary momba ny fahasimban’ny  tontolo iainana any an-toerana.  Nanomboka ny fiandohan’ny  volana Desambra 2013 ny fanantontosana ilay orinantsary.

Noho ny teti-bolanay izay somary nanify sy azo lazaina ho tery dia tapa-kevitra fa handeha amin’irony fiara fitanteram-bahoaka irony izahay- izay mor avidy no mahomby fa saingy kosa somary kely aina ilay fiara. Zara raha nisy toerana nipetrahana  sy nisisihanay mivady noho ny habetsak’ireo mpandeha ho any Andasibe.  Claude, izy no mpitari-dalana voalohany izay nifanojo taminay ary mailaka ery izy nanontany raha toa ka manana eritreritra ny hampiasa azy izahay  mba hitondra anay hitsidika ny ala sy parkan’ i Andasibe. Raikitra ary ny  asa, ary ny ampitso maraina vao mangiran-dratsy dia indro izy niandry anay teo amin’ny fidiran’i calan-javaboary Andasibe.

“Ny faritra atsinana no voalohany notsidihanay. Variana ary  hatairana ny anay naheno ny hiran’ireo ” Indri-Indri) izay nanako  manerana ny ala, amin’ity andro vao mangiran-dratsy. Vao nandingana   ivelany ny varavaran’ilay trano fandraisam-bahiny nipetrahany izahay, raha handeha ho any amin’ny trano fisakafoanana dia  nahita  tanalahy  maintso  iray izay nandry teo ambany rantsankazo.  Nahita bibidia hafa toy ny Sifaka ihany koa izay, izay  teny ambon’ireo hazo  izay tsy dia lavitra fa tena akaiky tokoa an’ilay trano fandraisam-bahiny izay nivantananay  tao anatin’ny ilay valan-javaboahary.”

Ny afak’ampitson’ny nahatongavanay teto Andasibe dia nitondran’i Claudempitari-dalana iray hafa,  izahay. i Nirina. Nirina moa dia  ankoatrin’ny mpitari-dia azy dia mpandrindra ny fandaharan’asa fiarovana ny ala eo an-toerana ihany koa.  Tao aorian’ny andro faharoa izay notsidihanay ny valan-javaboary, dia mba naka  aina kely izahay satria tena vizaka. Fiatoana fohy ihany naefa izany satria fotoana mba nankafizanay  sakafo antoandro tany anaty ala.  Raha sendra variana naka aina tsara, nadrindray teny ambony bozaka maintso maivana iny Nirina, dia indro fa nisy karazana gidro/varika hafa izay somary mena kibo  tonga ary tsy naka sarotra fa tonga  nilalao  teo amboniny. Tao aoriana kelin’io duia tamy ireo mponina sansatsany  teo an-toerana nhira vakon-drazana izay mitantara y fifandraisan’ireo olombelona voalohany  tonga nonina teo an-toerana  amin’ireo zavaboary. Tsikaritrasy tsapa  tao anatin’izany fa dia nisy  firindrana lehibe tokoa  teo amin’ny vahoaka Malagasy sy ny tontolo voajanahary.

Fantatray avy hatrany fa I Nirina dia olona tso-po sy tsara toetra izay mahafoy ny fotoanany hanentanana ireo mpiara-belona syny fiaraha-monina mba hitsinjo sy hiaro ny tontolo iainana.

Nanomboka nanodina ilay orinantsary izahay ary i Nirina no naokatra izany, naraina feonkira izay kanto dia kanto  tokoa,  sodina nostofina an-kalamanjana, teny an-dalambe.  Nanomboka ny fanadiahdiana ary nandritra ny resaka nifanaovana tamin’ny fiaraha-monina dia nilaza izy ireo fa manantena fatratra  fa hanomboka handray ny andraikiny ny governomanta ary hanasazy  ireo maimba ny tontolo iaianana.

Nohazavain’i Nirina  taminay ihany koa fa raha lasa valan-javaboary ny ala na faritra iray, dia midika izany fa tsy ho tsy ara-dalàna  itsony avy eo ny fakàna sy fitrandrahana loharanon-karena voajanahary avy ao. Nanomboka ary marisika sy vitrika ery izy amin’ny fiarovana ireo  vondrona “Indri- Indri ” tavela ary monina ao anatin’ny faritra. Mampoiriska ny olona ihan ykoa ny tenany mba hiaro ny tontolo iainanasatria dia harena sy vintana ho an’ny Malagasy ny fananana izany.

Nitohy ny dianay ary nony tonga teo  amin’ny tanànan’i Ambavaniasy dia nijanona mba hiresaka amin’ny zatovovavy iray mipetraka  eo an-toerana izay mpanao  asa tanana. Nanazava moa ny tenany no sady  nanondro ny manodidina  ary nilaza fa simba ny ala nisy  teny an-toerana noho ny fanaovan tavy. Ny fambolena amin’ny alalan’ny tavy, araka ny filazany moa dia anisan’ny loza izay mitatao ary mety handripaka ny ala eny amin’ny faritra.

Nitohy ny resaka nifanaovana  tamin’ireo olona mpikambana ao amin’ity fikambanana ity izay mandray na-tànanà ny fandaminana sy ireo antsipirahany rehetra mikasika ny tany , fambolena sy ireo mpanetsa. Rehefa avy nihaona tamin’ireo mpikarakara ity vondrom-piarahamonina ity ala, izahay dia hitodi-doha hihaona indray amin’i Claude. Betsaka ireo vaovao momba ny tontolo iainana eo an-toerana, ny olana maro isan-karazany eo anivon’ny fiaraha-monina izay mijaly noho  tokoa mandritra ny vanim-potoana maina ary ihany koa mizaka ny tsy erany mandritra ny vanim-potoanan’ny orana izay mateitika arahina rivo-doza isan-karazany.

Hita ary fa tena mandray andraikitra tokoa ny firaraha-monina eny an-teorana amin’ny alalan’ny fambolen-kazo mba hiarovana ny tintolo iaianana. Ankoatra izany, dia manana eritreritra ny  hampianatra ny mpikambana ao aminy  mikasika ny fomba hafa amin’ny fambolena sy famokarana vary izy ireo izay tsy ialaina fandorana ny tany mba hanaovana tavy toy ny fambolena vary eny an-tanimbary izay ketsahina.

Rehefa avy eo dia nasain’ny tompon-tany tao amin’ny tànanà iray akaikin’ny valan-javaboahary  izahay mba hanatrika ny fifanolozan-kevitra sy resadresaka izay nifanaovan’ireo zokibe tao an-tànàna. Nandritra ny fianalozan-kevitra izay nandraisany anjara dia nisy ireo vehivavahy anti-panahy vistivitsy izay naneho ny alahahelo ary nitaraina ny fitsipim-pandaminana izay napetraky ny governemanta mikasika ny  fabololena netim-paharazana eny antoerana.   Notantarain’izy ireo tamin’izay fa  tonga tampoka teny an-toerana ny tompon’andraikitra eo anivon’ny fanjakana ary nadrara azy ireo amin’ny fitrandrahana ny ala sy ny tokony hanajanona ny tavy ary indrindra indrindra nanamafy ny amin’ny tokony hiarovana ny tontolo iainana sy ny ala.

Nifandray sy nihaona ihany koa tamin’i Dr. Norman Uphoff, mpahay siansa ara-tsosialy avy any Cornell University,  izahay izay nanome fanampim-panazavana sy nampahalala anay ny kolontsaina sy ny tantaran’ny vahoaka Malagasy amin’ny ankapobeny.  Nazavainy ihany koa ny antony mahatonga ny mpoina manohitra sy tsy mazoto amin’ny fanajanonana ny  fitradrahana be loatra ny ala sy ny resaka fanovana ireo fomba fambolena nentim-paharazana. Fotoana fohy taorian’izany dia nitafatafa niaraka tamin’i,  Dr. Patricia Wright, izay ” primatologist “avy any Stony Brook University, izay efa hatry ny ela no nanana fifandraisana manokana amin’i Madagasikara. Resaka mikasika ireo  zavamaniry sy biby tsy manam-paharoa eto Madagasikara moa ny voton-dresaka nifanaovany, ary indrindra ny mikasika  ireo gidro/varika  izay mitady ho lany tamingana.  Ary nofarainanay tamin’ ny resadresaka niaraka tamin’i   Dr. Hal Needham avy any Louisiana State University moa ireo fifanakalozan-kevitra isan-karazany. Ity farany moa dia nanazava  ny   antony sy ny mety ho voka-dratsin’ny fiakaran’ny  marim-pàna noho ny fiovan’ny toetr’andro.

 

**Izay aloha ny androany fa dia hotohizana tsy ho ela ny fandikana ny bilaogy izay nosoratan’izy mivady.**

Fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ilay tetik’asa “Pet Lemur survey”

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny  Talata , faha 12 Jolay lasa teo ilay tetik’asa Pet Lemur Survey,  izay notanterahana tao amin’ny Trano Koltoraly Amerikanina tetsy Tanjombato nanomboka tamin’ny 2 ora tolak’andro.

“Harenan’i Madagasikarana ny Giro/Varika”, io no teny faneva izay nosaloran’ity foto-drafitr’asa ity izay firaha- miasan’ ireo mpikaroka manokana  avy ao amin’ny “Utah University” sy ny “Conservation International”.

13765799_1032130970237745_7745072962668846598_o13661773_1032129046904604_6356481345547855553_o (1)13708163_1032131223571053_2492607683091290819_o

Araka ny voalazan’i Pr Kim Reuter dia voalaza fa efa nahatratra ny 28 000 no isan’ireo gidro/varika voalaza fa misy mitana ho toy ny biby fiompy tamin’ny taona 2010  sy 2013 ary indrisy anefa fantatra mazava intsony ny isan’izy ireo na ny antony hitazomana azy ireny ho toy ny biby fiompy.

Izany indrindra no anton’ity fikarohana ity izay afaka tanterahinao amina finday na ihany koa amin’ny fitsidihanao ny tranonkala Pet Lemur Survey izay misy dikany amin’ny teny Malagasy sy  Frantsay. Ito Tranonkala vaovao sy ny drafitr’asa fanentanana izay ho tanterahana mandritra ity taona ity moa dia novantsian’ny National Geographic  sy ny Margot Marsh primate Action Fund.

Sary niarahana tamin'ny solontenan'ny ministera miandraikitra ny ala sy ny tontolo iainana.

Sary niarahana tamin’ny solontenan’ny ministera miandraikitra ny ala sy ny tontolo iainana.

Betsaka dia betsaka tokoa ireo tonga nanotrona ary nahaliana tokoa ireo mpandray anjara nanao famelabelaran-kevitra nandritra izany  izay avy amin’ny GERP MadagasikaraLemur conservation NetworkLemur Rescue Center, sy ireo tompon’andraikitra ao main’ny foto-drafitr’asa. Izy ity moa dia natrehan’ny solontenan’ ny Minisitera miandraikitra ny ala sy ny tontolo iainana, sy ny fiandraiketan’ireo  ala voajanahary voaaro (Parcs Nationaux) sy ireo mpanao gazety isan-karazany.

Ireo nandray anjara fitenenana naka sary tamin’ireo mpanotrona sasantsasany

Fankalazana ny Hetsika maneran-tany “Festival mondial des lémuriens” 2015

Niditra tamin’ny andiany faharoa ny fankalazana ny hetsika maneran-tany momba ny varika izay nokarakarain’ny GERP Mada. Faritra maromaro no nandray anjara teto Madagasikara ka anisan’izany ny teto Antananarivo ny 30 sy ny 31 oktobra lasa teo. Ny teny filamatra tamin’ity andiany faharoa ity di any hoe “Varika, Harem-pirenena, Namana tokony harovana”. Fikambanana avy amin’ny sehatra tsy miankina sy mpianatra avy amin’ny ambaratonga fototra tsy miankina amin’ny fanjakana ary avy amin’ny fanjakana no nandray anjara. Naharitra roa andro ny fankalazana ka ny valanjavaboaharin’ny Tsimbazaza sy ny kianjan’Ambohijatovo no nandray ny hetsika rehetra.

IMAG0147IMAG0135IMAG0159

Niainga teo amin’ny manoloana ny kianjaben’ ny Mahamasina ny diabe (carnival) ny andro voalohany ary nihazo an’i Tsimbazaza. Samy nanao fihetsika sy fomba fiakanjo mitovy amin’ny varika moa ny rehetra ka rehefa vonona dia roso ny diabe narahin’ireo polisy kaominaly nitandro ny filaminana sy nandamina ny fifamoivohizana ary ny avy ao amin’ny croix rouge Malagasy izay niantoka ny loza mety hitranga nandritra ny fankalazana. Teny an-dalana di any fiara nisy fanamafisam-peo efa nomanin’ny mpikarakara no nitarika narahina fanentanana maro isan-karazany sy ny fandefasana ny hira faneva ary nofaranan’ny mpitsoka mozika avy amin’ny mpanao hira gasy moa izany. Rehefa tonga tao Tsimbazaza indray dia nonomboka avy hatrany ny seho sy fanentanana niarahana tamin’ny mpanao hira gasy sy ireo ankizy nandray anjara tamin’ny diabe. Nisy koa ny fandraisam-pitenenana nataon’ireo tompon’andraikitra izay tsy nitsitsy fitenenana nanoloana ireo tompon’andraikim-panjakana tonga nanotrona ny lanonana. Taorian’izay dia nisy ny fiarahana manala hetaheta kely mialoha ny fitsidihana ny valanjavaboahary.

IMAG0179IMAG0205IMAG0213

Ny tolak’andro moa dia adi-hevitra sy famelabelara-kevitra momba ny varika sy ny tontolo manodidina azy no natao tao amin’ny tranon’ny akademia Malagasy.

Ny andro faharoa dia niainga teo ambon’Ambohijatovo ny diabe niarahana tamin’ireo ankizy kely avy amin’ny sekoly ambaratonga fototra niditra ny kianja’Ambohijatovo. Ny mpitsoka mozika avy amin’ny mpanao hira gasy no nitarika ny lalao sy nanafana ny lanonana. Kilalao no natao nampifaliana ireo ankizy tonga tao ary nahazo loka toy ny fitaovam-pianarana ny tsirairay ary koa ilay postcard avy amin’ny Lemur Conservation Network izay tena nahafaly ireo ankizy noho ny hatsarany.

IMAG0216IMAG0147IMAG0030

Mbola hisy ny andiany manaraka ary dia hisaorana ny mpikarakara fa kosa dia manentana ny tsirairay mba hikajy ny tontolo iainana mba ho antoky ny ho avy indrindra indrindra ny fiarovana ny varika izay tsy misy afa tsy aty Madagasikara irery ihany. Mampidibola vahiny sy mamelona olona maro izy ireny ka izany no anentanananay ny tsirairay mba hiaro sy hampafantatra ny maha zava-dehibe ny fisiany izy ireny. Koa mba tsy ho lovan-tsofina sisa na koa amin’ny alalan’ny sary na film sisa no ahafantaran’ny ankizy any aoriana any ny fisian’ny gidro dia andao ho namanay hiaro azy ireny ary koa mba tsy hananantsika tsiny.

Mpianjoria malaza eran-tany Ash Dykes eto Madagasikara

Olona 1- 5 volana. Tampon-tendrombohitra 2896 kilometatra ary tangoronam-bohitra miisa 8

Tompon-dakan’ ny fanaovana anjoria (aventure) maneran-tany amin’ity taona 2015 i Ash Dykes izay hanantontosa an’ity dia misongadina amin’ny fiainany ity, ho anisan’ny olona voalohany eo amin’ny tantaratokoa mantsy ny tenany izay  hiampita an’i Madagasikara iray manontolo.

« Betsaka tokoa ireo tranga sy olana mety ho sedrain’i Ash mandritra an’io diany io. Ary tena ho fitsapana goavana be ho azy izy io satria dia mila faharetana, na eo ary anefa izany dia tsy atahorana raha ny amiko manokana satria tsy am-pisalasalana no hilazako fa manana ny fahavononana, tanjaka ilaina izy. Ho hiavaka tokoa ny zava-bitany amin’io. » hoy Sir Ranulph Fiennes

1902820_10155735930520597_1603215381639805172_n

Niainga avy any amin’ny faritra faran’ny Atsimon’ny nosy izy ny faha-3 ny volana septambra lasa teo (Cap Sainte Marie), ary avy eo i Ash dia handalo ny tany efitra(na maina) ao amin’io faritra io. Mitohy ny lalany ary hitety ala matevina izy mialoha ny ahatongavany ao anivon’ i Madagasikara (ampovoan-tany) ary hananika hiakatra ny haram-bato avo ny Ankarana Ireo vato maranitra ireo dia antsoina hoe ‘Tsingy’, dia azo ary fototenin’ny hoe « mitsingitsingy », noho ny fahasarotan’ny fiampitana azy ireo raha atao dia tongotra.

DSCN2650

Hofamaranana ny diany dia hanaraka an’ireo tangorom-bohitra hita manerana ny nosy manomboka avy any atsimo ka hatrany amin’ny faran-tampony avaratra izay antsoina hoe tendrona Tsaratanana na Maromokotra i Ash. Dia mbola mitohy mianavaratra foana ny diany mandra-pahatongany any amin’ny toerana farany izay avaratra indrindra any Madagasikara antsoina hoe Cap d’Ambre.

Nord Mada

Tsy ireo loza toy ny lalana ratsy na ny fiovaovan’ny toetra’andro ihany no ho atrehan’i Ash fa tsy maintsy hiampita renirano feno voay ary hifanena amina bibilava, maingoka sy hala mahafaty ihany koa izy.

Mihoatra ny 90 % ny zavamaniry sy ny biby eto Madagasikara dia tsy hita n’aiza n’aiza erak’izao tontolo izao, raha tsy eto amintsika irery ihany ary betsaka no atahorana ho lany tamingana. Mandritra ny dian’i Ash dia manana fahafahana hianatra ny tantara sy ny zava-manan’aina eto amin’ny firenena izy.

Ny mpiasa mpiaro ny tontolo iainana ao amin’ny Lemur Conservation Network dia mampahafantatra an’i Ash momban’ny olana izay hatrehin’izy ireo manoloana ny fiarovana ny gidro/varika izay tsy hita hafa-tsy eto amintsika izay vasokajy ho anisan’ ny biby mampinono tena tandindomin-doza indrindra maneran-tany mba tsy ho lany tamingana. Anisan’ny iraka hotanterahin’ i Ash ny fitadiavana an’ ity karazana gidro iray izay tena anisan’ny vitsy isa indrindra antsoina hoe « Lepilemur du nord ». Voalaza mantsy fa eo amin’ny 50 eo sisa ny isan’izy ireo ary marihina anefa fa dia tsy mbola nisyfiry loatra ny fikarohan natao momban’azy ireo .

Lepilemur septentrionalis Ed Louis

Lepilemur septentrionalis, Ed Louis, Madagascar Biodiversity Partnership

Ankoatr’izany, dia handany fotoana hiaraka amin’ireo foko teratany izay mipetraka lavitra ny tanan-dehibe ihany koa i Ash. Ny sasany amin’izy ireo dia tsy nahita vahiny nandritra ny 60 taona. Ny fiseraserana amin’ireo teratany ireo dia hanampy an’i Ash mba ahafantatra lalindalina kokoa ny fiaraha-monina ary ny fomba fiainan’izy ireo eto amin’ny Nosy.

Hoy i Ash Dykes hoe «  Nosy mahagaga sy mahatalanjona tokoa raha i Madagasikara ary tena mbola betsaka ny toerana tsy fantatra any. Ity dia ity dia afahako maneho ny hatsaran-tarehy ny zavaboahary hita ao amin’io nosy io. Hampisedra sy hanosika ahy hiotra hatramin’ny farany izy ity satria ny lalana dia tena sarotra ary betsaka ny zavatra tsy ho ampoizina mety hitranga any. Na izany aza anefa dia tena hikiry mafy aho ary hotafitako ny dia. Mino aho fa hanampy amin’ny famahana ny zava-miafina ao Madagasikara sy hizara ny tantara momba ny olona sy ny zava-maniry ary ny biby izay mbola tsy fantatra ity dia ity. »

Screen-Shot-2015-08-30-at-7.34.23-PM