Fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ilay tetik’asa “Pet Lemur survey”

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny  Talata , faha 12 Jolay lasa teo ilay tetik’asa Pet Lemur Survey,  izay notanterahana tao amin’ny Trano Koltoraly Amerikanina tetsy Tanjombato nanomboka tamin’ny 2 ora tolak’andro.

“Harenan’i Madagasikarana ny Giro/Varika”, io no teny faneva izay nosaloran’ity foto-drafitr’asa ity izay firaha- miasan’ ireo mpikaroka manokana  avy ao amin’ny “Utah University” sy ny “Conservation International”.

13765799_1032130970237745_7745072962668846598_o13661773_1032129046904604_6356481345547855553_o (1)13708163_1032131223571053_2492607683091290819_o

Araka ny voalazan’i Pr Kim Reuter dia voalaza fa efa nahatratra ny 28 000 no isan’ireo gidro/varika voalaza fa misy mitana ho toy ny biby fiompy tamin’ny taona 2010  sy 2013 ary indrisy anefa fantatra mazava intsony ny isan’izy ireo na ny antony hitazomana azy ireny ho toy ny biby fiompy.

Izany indrindra no anton’ity fikarohana ity izay afaka tanterahinao amina finday na ihany koa amin’ny fitsidihanao ny tranonkala Pet Lemur Survey izay misy dikany amin’ny teny Malagasy sy  Frantsay. Ito Tranonkala vaovao sy ny drafitr’asa fanentanana izay ho tanterahana mandritra ity taona ity moa dia novantsian’ny National Geographic  sy ny Margot Marsh primate Action Fund.

Sary niarahana tamin'ny solontenan'ny ministera miandraikitra ny ala sy ny tontolo iainana.

Sary niarahana tamin’ny solontenan’ny ministera miandraikitra ny ala sy ny tontolo iainana.

Betsaka dia betsaka tokoa ireo tonga nanotrona ary nahaliana tokoa ireo mpandray anjara nanao famelabelaran-kevitra nandritra izany  izay avy amin’ny GERP MadagasikaraLemur conservation NetworkLemur Rescue Center, sy ireo tompon’andraikitra ao main’ny foto-drafitr’asa. Izy ity moa dia natrehan’ny solontenan’ ny Minisitera miandraikitra ny ala sy ny tontolo iainana, sy ny fiandraiketan’ireo  ala voajanahary voaaro (Parcs Nationaux) sy ireo mpanao gazety isan-karazany.

Ireo nandray anjara fitenenana naka sary tamin’ireo mpanotrona sasantsasany

 

 

Fankalazana ny Hetsika maneran-tany “Festival mondial des lémuriens” 2015

Niditra tamin’ny andiany faharoa ny fankalazana ny hetsika maneran-tany momba ny varika izay nokarakarain’ny GERP Mada. Faritra maromaro no nandray anjara teto Madagasikara ka anisan’izany ny teto Antananarivo ny 30 sy ny 31 oktobra lasa teo. Ny teny filamatra tamin’ity andiany faharoa ity di any hoe “Varika, Harem-pirenena, Namana tokony harovana”. Fikambanana avy amin’ny sehatra tsy miankina sy mpianatra avy amin’ny ambaratonga fototra tsy miankina amin’ny fanjakana ary avy amin’ny fanjakana no nandray anjara. Naharitra roa andro ny fankalazana ka ny valanjavaboaharin’ny Tsimbazaza sy ny kianjan’Ambohijatovo no nandray ny hetsika rehetra.

IMAG0147IMAG0135IMAG0159

Niainga teo amin’ny manoloana ny kianjaben’ ny Mahamasina ny diabe (carnival) ny andro voalohany ary nihazo an’i Tsimbazaza. Samy nanao fihetsika sy fomba fiakanjo mitovy amin’ny varika moa ny rehetra ka rehefa vonona dia roso ny diabe narahin’ireo polisy kaominaly nitandro ny filaminana sy nandamina ny fifamoivohizana ary ny avy ao amin’ny croix rouge Malagasy izay niantoka ny loza mety hitranga nandritra ny fankalazana. Teny an-dalana di any fiara nisy fanamafisam-peo efa nomanin’ny mpikarakara no nitarika narahina fanentanana maro isan-karazany sy ny fandefasana ny hira faneva ary nofaranan’ny mpitsoka mozika avy amin’ny mpanao hira gasy moa izany. Rehefa tonga tao Tsimbazaza indray dia nonomboka avy hatrany ny seho sy fanentanana niarahana tamin’ny mpanao hira gasy sy ireo ankizy nandray anjara tamin’ny diabe. Nisy koa ny fandraisam-pitenenana nataon’ireo tompon’andraikitra izay tsy nitsitsy fitenenana nanoloana ireo tompon’andraikim-panjakana tonga nanotrona ny lanonana. Taorian’izay dia nisy ny fiarahana manala hetaheta kely mialoha ny fitsidihana ny valanjavaboahary.

IMAG0179IMAG0205IMAG0213

Ny tolak’andro moa dia adi-hevitra sy famelabelara-kevitra momba ny varika sy ny tontolo manodidina azy no natao tao amin’ny tranon’ny akademia Malagasy.

Ny andro faharoa dia niainga teo ambon’Ambohijatovo ny diabe niarahana tamin’ireo ankizy kely avy amin’ny sekoly ambaratonga fototra niditra ny kianja’Ambohijatovo. Ny mpitsoka mozika avy amin’ny mpanao hira gasy no nitarika ny lalao sy nanafana ny lanonana. Kilalao no natao nampifaliana ireo ankizy tonga tao ary nahazo loka toy ny fitaovam-pianarana ny tsirairay ary koa ilay postcard avy amin’ny Lemur Conservation Network izay tena nahafaly ireo ankizy noho ny hatsarany.

IMAG0216IMAG0147IMAG0030

Mbola hisy ny andiany manaraka ary dia hisaorana ny mpikarakara fa kosa dia manentana ny tsirairay mba hikajy ny tontolo iainana mba ho antoky ny ho avy indrindra indrindra ny fiarovana ny varika izay tsy misy afa tsy aty Madagasikara irery ihany. Mampidibola vahiny sy mamelona olona maro izy ireny ka izany no anentanananay ny tsirairay mba hiaro sy hampafantatra ny maha zava-dehibe ny fisiany izy ireny. Koa mba tsy ho lovan-tsofina sisa na koa amin’ny alalan’ny sary na film sisa no ahafantaran’ny ankizy any aoriana any ny fisian’ny gidro dia andao ho namanay hiaro azy ireny ary koa mba tsy hananantsika tsiny.

Mpianjoria malaza eran-tany Ash Dykes eto Madagasikara

Olona 1- 5 volana. Tampon-tendrombohitra 2896 kilometatra ary tangoronam-bohitra miisa 8

Tompon-dakan’ ny fanaovana anjoria (aventure) maneran-tany amin’ity taona 2015 i Ash Dykes izay hanantontosa an’ity dia misongadina amin’ny fiainany ity, ho anisan’ny olona voalohany eo amin’ny tantaratokoa mantsy ny tenany izay  hiampita an’i Madagasikara iray manontolo.

« Betsaka tokoa ireo tranga sy olana mety ho sedrain’i Ash mandritra an’io diany io. Ary tena ho fitsapana goavana be ho azy izy io satria dia mila faharetana, na eo ary anefa izany dia tsy atahorana raha ny amiko manokana satria tsy am-pisalasalana no hilazako fa manana ny fahavononana, tanjaka ilaina izy. Ho hiavaka tokoa ny zava-bitany amin’io. » hoy Sir Ranulph Fiennes

1902820_10155735930520597_1603215381639805172_n

Niainga avy any amin’ny faritra faran’ny Atsimon’ny nosy izy ny faha-3 ny volana septambra lasa teo (Cap Sainte Marie), ary avy eo i Ash dia handalo ny tany efitra(na maina) ao amin’io faritra io. Mitohy ny lalany ary hitety ala matevina izy mialoha ny ahatongavany ao anivon’ i Madagasikara (ampovoan-tany) ary hananika hiakatra ny haram-bato avo ny Ankarana Ireo vato maranitra ireo dia antsoina hoe ‘Tsingy’, dia azo ary fototenin’ny hoe « mitsingitsingy », noho ny fahasarotan’ny fiampitana azy ireo raha atao dia tongotra.

DSCN2650

Hofamaranana ny diany dia hanaraka an’ireo tangorom-bohitra hita manerana ny nosy manomboka avy any atsimo ka hatrany amin’ny faran-tampony avaratra izay antsoina hoe tendrona Tsaratanana na Maromokotra i Ash. Dia mbola mitohy mianavaratra foana ny diany mandra-pahatongany any amin’ny toerana farany izay avaratra indrindra any Madagasikara antsoina hoe Cap d’Ambre.

Nord Mada

Tsy ireo loza toy ny lalana ratsy na ny fiovaovan’ny toetra’andro ihany no ho atrehan’i Ash fa tsy maintsy hiampita renirano feno voay ary hifanena amina bibilava, maingoka sy hala mahafaty ihany koa izy.

Mihoatra ny 90 % ny zavamaniry sy ny biby eto Madagasikara dia tsy hita n’aiza n’aiza erak’izao tontolo izao, raha tsy eto amintsika irery ihany ary betsaka no atahorana ho lany tamingana. Mandritra ny dian’i Ash dia manana fahafahana hianatra ny tantara sy ny zava-manan’aina eto amin’ny firenena izy.

Ny mpiasa mpiaro ny tontolo iainana ao amin’ny Lemur Conservation Network dia mampahafantatra an’i Ash momban’ny olana izay hatrehin’izy ireo manoloana ny fiarovana ny gidro/varika izay tsy hita hafa-tsy eto amintsika izay vasokajy ho anisan’ ny biby mampinono tena tandindomin-doza indrindra maneran-tany mba tsy ho lany tamingana. Anisan’ny iraka hotanterahin’ i Ash ny fitadiavana an’ ity karazana gidro iray izay tena anisan’ny vitsy isa indrindra antsoina hoe « Lepilemur du nord ». Voalaza mantsy fa eo amin’ny 50 eo sisa ny isan’izy ireo ary marihina anefa fa dia tsy mbola nisyfiry loatra ny fikarohan natao momban’azy ireo .

Lepilemur septentrionalis Ed Louis

Lepilemur septentrionalis, Ed Louis, Madagascar Biodiversity Partnership

Ankoatr’izany, dia handany fotoana hiaraka amin’ireo foko teratany izay mipetraka lavitra ny tanan-dehibe ihany koa i Ash. Ny sasany amin’izy ireo dia tsy nahita vahiny nandritra ny 60 taona. Ny fiseraserana amin’ireo teratany ireo dia hanampy an’i Ash mba ahafantatra lalindalina kokoa ny fiaraha-monina ary ny fomba fiainan’izy ireo eto amin’ny Nosy.

Hoy i Ash Dykes hoe «  Nosy mahagaga sy mahatalanjona tokoa raha i Madagasikara ary tena mbola betsaka ny toerana tsy fantatra any. Ity dia ity dia afahako maneho ny hatsaran-tarehy ny zavaboahary hita ao amin’io nosy io. Hampisedra sy hanosika ahy hiotra hatramin’ny farany izy ity satria ny lalana dia tena sarotra ary betsaka ny zavatra tsy ho ampoizina mety hitranga any. Na izany aza anefa dia tena hikiry mafy aho ary hotafitako ny dia. Mino aho fa hanampy amin’ny famahana ny zava-miafina ao Madagasikara sy hizara ny tantara momba ny olona sy ny zava-maniry ary ny biby izay mbola tsy fantatra ity dia ity. »

Screen-Shot-2015-08-30-at-7.34.23-PM

 

Ireo tangoronam-tendrombohitra MAKAY ( Le massif du Makay)

Kanto  tokoa raha i Madagasikara! Ary tsy manam-paharoa raha ny   tontolo misy eto amintsika no hasian-dresaka! andeha ange ho velabelarintsika ny momba  ireo tangoronan-tendrombohitra MAKAY e. Isaorana ety am-piandohana ny Nature Evolution  izay  nanome alàlàna am-pitiavana ny ampiasaina ireo sary nalain’izy ireo.

Manàna  drafitra’asa mahafinaritra ary tena mahaliana ihany koa ry zareo ho antsika Mpianatra sy tsirairay avy izay mba liana ny handeha  hizaha ny hatsaran’izany Makay izany. Tsidiho ange ny Fanamby (Challenge Makay) 2015-2016  sy ny Mpanatanterak’iraka an-tsitrapo (mission volontaire) 2015-2016  izay samy karankarain’ny Nature Evolution e!

 

Firy amintsika mamaky ireo ohatra no efa mba nandeha nitsidika izany atao hoe Makay izany? Ary mba manao ahoana moa izy izany? Aiza ho aiza no misy azy ary inona no mba hita any?

Sarotra aloha ny mandainga fa dia mbola vitsy dia vitsy tokoa ireo mahafantatra ny fisian’izany Makay izany. Mety efa betsaka ihany anefa ny naheno  fa mbola tsy nahita maso.  Ny tangoronam-tendrombohitra Makay dia hita  ao amin’ny faritry Menabe miampaka hatrany amin’ny faritra atsimo andrefana iny,  manana ny lanjany eo an’ivon’izao tontolo izao, satria laharana faha-11 izy amin’ny fiarovana ny fahamamaron’ny karazan’ireo zava-miaina eo amin’ny toerana iray (« biodiversité »). Mirefy 150km x 50 km izy ireo ary miloko ho mavo mitopy volon-davenona.

Niforona avy amin’ny ahalalàn’ny fikaohan’ny riaka ny tany izy ireo ary dia nanome endrika kanto hafa kely izay ahitana tany lemaka midadasika sy rerinrano mikoriana any an-tsefatsefan’ny tendrombohitra.

 

Ankoatr’izany dia ahitana karazana zava-maniry sy bibidia maro isan-karazany ihany koa any. Ary izany no anisany hilaina ny tokony hitandrovantsika azy ireny.  Raha atao bango tokana ny tokony hiarovana azy ireny dia  satria harena voajanahary izy ireny ary:

  • ny varika/ gidro dia tafiditra ao anatin’ny sokajin’ireo harena voajanahay miaina maneran-tany (patrimoine mondial vivant) ;
  • tombony amin’ny toe-karena koa izy amin’ny ahalàlan’ny fizahantany ;
  • ny fandalinana nazy ireny ihany koa dia mampitombo ny fahalalana momban’ny fahamamaron’ny karazan’ireo zava-miaina eo amin’ny toerana iray (« biodiversité »).

Liana ve ianao hoe inona no tokony ho atao hiarovana ny Makay sy ny zava-miaina misy ao aminy toy ireo gidro/varika ? Ary ahoana ny fomba  ahatongavana any Makay?

Ny fomba voalohany ahafahana miaro ny varika/gidro sy ireo zava-manan’aina hafa maro isan-karazany , dia ny fiarovana  ny fonenany izay matetika dia tafiditra ao amin’ny antsoina hoe “Système d’Aire Protégée de Madagascar (SAPM)” izany hoe toerana arovana ary tokony ho anisan’izany ny Makay. Tsy vitan’ny fiampidirana azy ho ao amin’ny SAPM anefa ny fiarovana ny Makay fa mila tsara tantana sy mila loharanon-karena (ressources) ihany koa toy ny fizahan-tany ohatra.. Mba ho tanteraka izany dia hoe mila paik’ady hikojana ny toerana. Inona ny vahaolana ?  Hatao toerana voaro tantanan’ny fanjakana ve sa ny tsy miankina ? Rehefa milamina ny drafitra  sy ny paik’ady mba hisian’ny filaminana amin’ny fiarahamonina sy ny tontolo iainana dia tokony ho mety dahalo. Ny tsy azo hadino kosa anefa, na inona na inona fandehany rehefa ho lasa toerana voatokana vaovao ny Makay, dia mila  manao fampifanerana ny fampiasam-bola amin’ny tontolo iainana  (Mise en Compatibilité des Investissement avec l’Environnement) ary tsy latsa-danja amin’izany ny  sosialy, ny fanka-kevim-bahoaka (audience publique)  sy ny fampifanarahana ny fiarovana ny tontolo iaianana sy anto-piveloman’ny mponina eny antoerana.

Itsy etsy ambony itsy no anisan’ny làlana mankany! Mahasondriana ery!  Mandeha amin’ny làlam-pirenena  RN 35 iny ianao dia eny Malaimbady no  mivily. Misy fidirana anankiroa ny mankany : Malaimbady na  Beroroha ihany koa izay amoron’ny renirano Mangoky. Dian-tongotra tsy misy ohatr’izany ny any ary izay no antony hilaina mpitondra entana sy mpitari-dia mba hialana amin’yn mety ho fahaverezana.   Mandritra ny 9 andro eo  ny famakivakiana an’i  Makay ary mahatratra hatramin’ny 7-8 ora ny dia tongotra  mila hatao isan’andro ankoatry ny andro iray  manontolo izay eny ambonin’ny lakana eny amin’ny reniranon’i Mangoky.  Tafavoaka any  amin’ny  tangoronam-tendrobohitra iray hafa eny Isalo  ny  dia izay any amin’ny làlàm-pirenena RN7. Mila fiomana betsaka ny mankany ary mila fiara tsy mataho-dalàna (4X4) amin’ireo faritra tonga ny fiara. Raha te ho any ianao dia mila manana fotoana malalaka ihany koa , eo amin’ny tapa-bolana eo.  Koa ndao ary e! Iza no sahy?!

 

Resa-dresaka nifanaovana tamin’i Pr Jonah Ratsimbazafy.

Pr Jonah Ratsimbazafy:  Tena iaraha-mahalala fa olona azo ato hoe malaza ianao raha ny resaka fiarovana ireny Gidro/varika ireny, mba tantarao hoe tompoko ny nahatonga anao hiompana manokana amin’ny fianarana azy ireny?

jonah-bio

Jonah Ratzimbazafy

Ny nahatonga aho ho lasa mpikaroka sy mpiaro ny varika dia noho izao antony izao. Efa hatramin’ny fahazana dia efa nitsiry tao anatin’ny tena ny fitiavana biby. Kanefa raha nentin’ny raiamandreny nitsidika ny parc tao Tsimbazaza hijery gidro dia tsy mbola nieritreritra velively fa hiasa amin’ity sehatra ity. Tany an-tsekoly rahateo moa dia tsy nianatra momba ny biby zana-tany rahateo izahay fa ny biby misy any ivelany no nianarana tany (jirafy, liona, rajako, sns.). Teny amin’ny ioniversite dia nisafidy ny Departement de Paleontologie et Amthropologie Biologique ny tenako. Tao no tena nandinika lalina momba ny primates ka tafiditra tao anatin’izany ny varika. Rehefa nanao fikarohana momba ireo tahirin-tany (fossiles) niaraka tamin’ireo mpikaroka vahiny aho ka nandalo ala dia nahita ireo varika izay toa miantsoantso mila vonjy. Fandrika maro no hitako ary ala mirehitra. Nisy aza varika mbola tavela ka maty teo amin’ireny fandrika ireny. Teo no nahatonga ahy hanapa-kevitra ny amin’ny hoe: aleo ireto varika ankehitriny no avotana fa ireo efa ao anaty tany voatahiry afaka miandry. Koa dia nanao ny DEA sy Doctorat  momba ny varika aho.

Rehefa nianatra tany USA moa dia nifanerasera tamin’ireo mpikaroka sy mpiaro ny primates koa ka tamin’ny alalan’ireny dia nitombo ny fahalalana sy ny fitiavana ireo gidro/varika ireo ary nitohy ankehitriny izany.

Ny asa fiarvana ny gidro/varika dia tsy vitan’olon-tokana fa asa hifarimbon’ny maro. Koa rehefa tafalentika lalina tato am-po ilay fitiavana ny hianatra sy hampita izay traikefa amin’ny mpianatra ary ny fiarovana ireo harena mampiavaka an’I Madagasikara dia ny varika, dia tsy hay nosakanana intsony fa fitavana ny hiaro ireo biby ireo satria ny 94% n’izy ireo diaefa atahorana ho lany tamingana.

 

Ianao ihany koa moa dia anisan’ny nanampy tamin’ny fanoratana sy fanatontosana ilay  boky toro làlana momba ny fiarovana ny gidro/varika? Raha hafohizina fohifohy dia inona marina moa ny ao anatin’ilay boky?

 Io boky io dia nosoratana mba hafantarana ireo karazany izay tena atahorana ho ringana    sy ny toerana fonenana misy ireo varika ireo. Paik’ady fiarovana no voarakitra ao anatin’io boky io izay ho atao amin’ny faritra 30 mahery. Heverina fa ho tanterahina mandritry ny 3 taona izany paik’ady izany (2013 – 2016). Tafiditra ao anatin’ny paik’ady ny fantsarana ny velon-tenan’ny mponina mivelona manodidina ireny faritra misy ireo harena varika mampiavaka antsika. Ohatra amin’izany ny fanatsarana ny fambolena sy fiompiana, ny fampiroboroboana ny fizahantany, ny fikarohana, ny fampitomboana ny valanjavaboary, ny fambolena hazo, ary koa ny fanatsarana ny fiompiana ireo biby amin’ireo zoos raha toa ka izay no fomba afahana miaro ireo karazam-barika tena atahorana ho lany tamingana.

Vola $7.6 tapitrisa no heverina anatanterahina izany paik’ady izany.

 

Ankoatr’izany dia anisan’ny mpikarakarara ilay “madagascar lemur festival” ihany koa ny tenanao ary tamin’ny volana oktobra lasa teo raha tsy diso aho!  Inona ny tanjonareo tamin’izy iny dia oviana ndray ny manaraka?

 

Sambany teo amin’ny tantara no nisy iny hetsika voalohany ka nanaovana ny hetska Dihin’ny varika maneran-tany iny tamin’ny vola oktobra (25 – 31) 2015 ka izao tontolo izao no naira-nankalaza izay. Ny tanjona tao anatin’izany dia ny hampahafantarana ny olona rehetra (ny Malagasy indrindra indrindra) ny maha-zava-dehibe tokony hiarovana ireo varika ireo satria efa atahorana ho lany tamingana ny maro amin’ireo harena mampiavaka an’i Madagasikara ireo. Manana karazana varika 106 i Madagasikara izay mandrafitra ny 20% n’ny primates misy eran-tany kanefa 0,4% monja i Madagasikara raha ny habeny eto amin’ny planeta tany. Ireo olon-tsotra mihintsy no tanjona tamin’izany fa tsy nofaritana ho an’ny sokajin’ny mpikaroka ny ireo monina manamorona ny ala sy valan-javaboary ihany. Izay no nahatonga ny loha-hevitra novohizina tamin’izany hoe: “Varika; Namana sy harem-pirenena fa tsy…. Biby fiompy an-trano na sakafo”. Anisan’ny tanjona tamin’iny fankalazana iny koa ny fampiroboroboana ny fizahantany eto Madagasikara. Ary ny antony nandraisan’ireo firenena hafa dia ho fandraisany anjara amin’ny fampahafantarana ireo varika ireo ka ahatongavan’ny mpizahantany aty Madagasikara sy ho fandraisany anjara koa amin’ny famoriana io vola $7,6 tapitrisa io. Maro ireo Havana avy tany dilambato niaraka nifarimbona tami’iny fankalazana iny na teo amin’ny ara-pitaovana na ara-bola indrindra indrindra.

Maro ny fianakaviana mivelona amin’ny sehatra fizahantany. Koa ny fisian’ireo biby varika ireo dia tokony hampiditra vola maro ho an’i Madagasikara ho fanatsarana ny farim-piainan’ny mponina Malagasy.

Heverina fa ho atao isan-taona nyfankalazana ny Dihin’ny varika maneran-tany. Koa amin’ity taona ity dia ho atao amin’ny faran’ny volana oktobra toy ny tamin’ny taona lasa ihany izany. Dia manentana sahady ny rehetra hiomana ny hankalaza ny Dihin’ny varika manera-tany 2015.

Fanontaniana manitikitika ny be sy ny maro ilay hoe fa maninona ny gidro/varika no arovanareo fa  maninona no tsy manampy ny olona mahantra ohatra? Inona ny havalinao izay ho an’ireo mametram-panontaniana?

Manana asa tsy vitan’ny olombelona ireny varika ireny ao anatin’io ala fonefany io. Ohatra ny fampihaonana ny vony lahy sy vavy (pollinisation) y ny fanaparitahana ny voankazo (dispersion). Koa manampy ny fitohizan’ny fampitaina ny karazan-kazo tsy ho lany taranaka. Izany hoe misy asa goavana sahaniny ireo gidro ireo ao anaty ala fonenany.

Heverina ho toy ny fampilazana (indicateurs) ny fahasalamana na faharatsian’ilay tontolo misy azy ny varika. Koa rehefa tsy ao intsony ireo dia sarotra ny hamantarana izany.

Ireo vrika ireo no manintona ny mpizahantany hitsidika an’i Madagasikara. Midika izany fa mampiditra vola vahiny ho an’ny firenena ireo varika ireo. Koa tsy ny fihazana azy na fanimbana ny fonenany no tokony ho atao fa ny fiarovana azy ireo.

 

Raha afaka manome torohevitra  vitsivitsy ho an’ireo tanora Malagasy maniry ny hiompana manokana amin’ny fianarana momba ny gidro/ variaka ianao?

Harena mampiavaka an’i Madagasikara ny varika. Maro anefa no tsy mbola fantatra momba ny fomba fiainan’ny sasany amin’izy ireo, indrindra ho an’ireo karazany mandeha min’ny alina. Koa miantso ireo tanora maniry ny hiaro ireo biby mampiavaka an’i Madagasikara ireo aho hisafidy ny sehatra fikarohana momba ny primates. Afaka manantona ny tenako n any GERP rah ate-ahafantatra bebe kokoa ny varika.

 

Aminao tompoko, inona no tokony hataon’ny Malagasy tsivakivolo mba hiarovana  ny Gidro/varika?

Hianaro ny fiainan’ny varika, Tiavo ary Arovy satria harena mampiavaka antsika Malagasy. Fadio ny mamono azy ireo sy manimba ny ala sy zetra fonenany. Azo atao biby fiompy any antrano ny varika fa avelao izy hiaina any amin’ny fonenaa natioraly tokony hisy azy. Ampianaro ho tia azy ireo ny ankizy, ny tanora ary ny lehibe mba ho tia azy ireo. Koa ny Malagasy rehetra no hanao izany. Faizo izay minia mandika lalana mamono na mitaiza varika fa mamono ny firenena izany.

 

Inona avy ireo fahatsiarovana manokana nahafinaritra na nanohana anao tamin’ny fianaranao ireny gidro/varika  ireny?

 Nisy fahatsiarovana ratsy dia ny nahita ireo varika tratry ny fandrika dia maty, novonoin’ny mpihaza ka nivoa-dra be nefa tsy mbola maty ary ireo tao anaty garaba azon’ny mpihaza izay entiny ho vonoina sy hamidy.

Ny fahatsiarovana tsara kosa dia isaky ny mahita zanaka varika mitsambikimbikina izay tena mahafatifaty ahy be mihitsy.

 

Inona ny karazana gidro/varika tianao indrindra? satria nahoana?

Ny varijatsy na varikanda (Varecia variegata) dia ilay varika miloko fotsy sy maintsy hita any amin’ny ala atsinanana. Io no nanaovako ny these de Doctorat ko ary hitako matetika sy haiku indrindra. Io no mpihinana voankazo be indrindra satria ny 80% n’ny sakafony dia voankazo, izany hoe anisan’ireo manaparitaka be indrindra voankazo…. Saingy tiako daholo fa toy ny zanako ny varika rehetra e.

 

Misy hafatra tianao hatsipy amin’ny mpamaky ve?

Efa betsaka izay voalaza izay fa teny fohy no hampitaiko amintsika dia ny hoe: manana adidy sy andraikitra lehibe sy masina ny Malagasy rehetra amin’ny fiarovana ny varika na zaza na tanora na efa lehibe ianao. Na lahy na vavy ary n’inona n’inona farim-piainanao na antokom-pinoanao dia tsarovy fa tompony ianao ka aoka ho sarotiny amin’ny fiarovana ireo gidro/varika ireo mba ho hitan’ny taranantsika izay mba te-ahita izany ko rahampitso sy afaky ny ampitso satria olon-kendry sy tia tanindrazana ianao.