Ny mombamomba ahy? TAHINA Roland Frédéric no anarako ary mpikambana ao amin’ny tambazotran’ny tanora misehatra ho an’ny fahamaroanaina (biobiversité) antsoina hoe Malagasy Youth Biodiversity Network aho. Teraka sy nianatra tao Morondava aho ary teny amin’ny oniversiten’Antananarivo kosa no nanohy fianarana tao aorian’ny bakalorea. Nanaraka ny lalam-pihofanana hay famokarana (agronomie) aho ary nisafidy manokana ny […]
Author Archive | Seheno Corduant
Ny fanabeazana eny an-tsekoly mifandray tendro amin’ny fiarovana ny varika: tetikasan’ny Conservation International-Madagasikara
Ny mombamomba ny tetikasa Ny Conservation International -Madagascar dia efa niasa an-taonany maro momba ny fiarovana ireo zava manan’aina, biby sy zava-maniry teto Madagasikara sy ireo nosy manodidina, ary nihitatra teo amin’ny lafiny fanantsarana ny velon-tena ny olombelona izany taty aoriana. Miara-miasa akaiky amin’ireo olon-tsotra, fikambanana, VOI, sekoly, ivo-toeram-pikarohana, Oniversite, ary Ministera maro izahay arakaraka ny […]
Fitsidihana ny Park ao Tsimanampetsotsa
Ny mombamomba anao i Hoby Ambinintsoa? Hoby Ambinintsoa no anarako, mpitsabo biby aho. Tena liana tokoa ny amin’ny tontolo iainana indrindra moa ny fahasamihafan’ny zava manan’aina eto Madagasikara raha tsy hilaza fotsiny ny varika. Te hitondra ny anjarabirikiko amin’ny fampahafantarana, fizarana sy fiarovana azy ireo aho. Tia mizaha tany ary mitsidika toerana vaovao foana aho. […]
Ampianaro sy Beazo ho tia sy hiaro ny varika ny taranaka
Nianatra momban’ny jeografia teny amin’ny ambaratonga ambony teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo i Holi tao amin’ny Sampam-pianarana momba ny Haisoratra sy ny siansa mahaolona ary nahazo ny mari-pahaizana « master » tamin’ny sokajy tontolo iainana sy ny siansa momban’ny tany « Parcours milieux naturels et sciences de la terre » tamin’ny taona 2016. Tsy nanaraka fiofanana momban’ny fampianarana momban’ny tontolo iainana […]
Madagascar Lemurs Portal : Ireo vaovao sy atrik’asa ny 17 Jolay 2019
Ny mombamomban’ny Madagascar Lemurs Portal sy ny antom-pisiany Ny Madagascar Lemurs Portal na Vavahady misokatra ho an’ny fampahalalana ny varika dia tafiditra tao anatin’ny tetikasa iray izay novavolalain’ireo mpiantsehatra maro toy ny Centre Valbio-ICTE, GERP, Ny oniversiten’Antananarivo DBA sy ny Departement Paléontologie, Conservation International, DPZ, Durell, FAPBM, Guide ANG/FNG, Madagascar Biodiversity Partnership (MBP), Madagasikara Voakajy, […]
Iray volan’ny Mpikambana LCN : Ny mention ADD-Oniversiten’Antananarivo
Mba zarao aminay ny tantara sy ny mombamomban’ny mention ADD Ny sampam-pampianarana Anthropobiolojia sy ny Fampandrosoana Lovain-jafy (Mention Anthropobiologie et Developpement Durable-MADD) dia rantsana iray teraka tao anatin`ny Departmenta Paleontolojia Anthropolojia Biolojika (Departement de Paleontologie et d`Anthropologie Biologique). Io departemanta io dia teraka tao anatin`ny Fakiolte Siansa – Oniversite Antananarivo ny taona 1975. Ny Departemanta […]
Iray volan’ny mpikambana LCN : Madagasikara Voakajy
Mba zarao aminay ny tantara sy ny mombamomban’ny fikambanana Madagasikara voakajy (MV) dia fikambanana Malagasy miasa ho an’ny fiarovana ireo zava manan’aina tsy hita raha tsy eto amin’ny nosintsika ary ahiana ho lany tamingana, izany dia mba hanampiana sy hampivoarana ny fiveloman’ireo Malagasy eny ifotony. Niforona tamin’ny taona 2005 ny fikambanana Madagasikara Voakajy. Ary […]
Ny varika sy ny toeram-ponenany
Teny Fampidirana Ny faritra tsirairay manerana an’i Madagasikara dia samy manana ny toetr’andro sy toe-tany misy ao aminy. Ireo zava-misy ireo no isan’ny mihazona ny fahasamihafan’ireo zavamanaina, biby sy zavamaniry, izay mampiavaka an’i Madagasikara amin’izao tontolo izao. Anisan’ny antony isafidianan’ny zavamananaina iray ny toeram-ponenany ireo fepetra rehetra mandrafitra ny toetr’andro sy ny toe-tany. Izany rehetra […]