Main Menu

Ampianaro sy Beazo ho tia sy hiaro ny varika ny taranaka

Mpanoratra bilaogy vahiny androany i RABEMANANJARA Holi. Izy dia anisan’ny tanora mpikambana ao amin’ny fikambanana GERP efa nandritra ny dimy taona izao. Nanomboka nampianatra tao amin’ny sehatra fanabeazana momban’ny tontolo iainana ho an’ny ankizy tamina tetik’asa iray antsoina hoe « Ako » tao amin’ny GERP izy  ny taona 2016. Mizara ho antsika ny fahitany ny fanabeazana ny tontolo iainana sy ny varika izy ao anatin’ity bilaogy ity. Araho eto ary izany!

© Naina Rabemananjara

Nianatra momban’ny jeografia teny amin’ny ambaratonga ambony teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo i Holi tao amin’ny Sampam-pianarana momba ny Haisoratra sy ny siansa mahaolona ary nahazo ny mari-pahaizana « master » tamin’ny sokajy tontolo iainana sy ny siansa momban’ny tany « Parcours milieux naturels et sciences de la terre » tamin’ny taona 2016.

Tsy nanaraka fiofanana momban’ny fampianarana momban’ny tontolo iainana ho an’ny ankizy aho fa ny antony nisafidianako hanao izany dia ny fitiavako ilay asa sy ny fahatsapako ny fahasimban’ny tontolo iainana sy ireo loza mitatao amin’ireo biby zanatany misy eto amintsika. Tena tiako ihany koa ny mifanerasera amin’ny ankizy. Nisy ihany koa ireo tompon’andraikitra nanoro sy nitarika izay hisaoraka azy ireo. Ny zavatra koa rehefa tianao dia hainao ho azy dia miezaka foana ianao ny hianatra sy hanatsara izany.

Ny tanjona ananana amin’ny fanabeazana ny tontolo iainana

Amiko ny tanjona tokony hananana rehefa manatanteraka ny fanabeazana tontolo iainana na « éducation environnementale » dia hoe tafita amin’ilay olona hampianarina sy hizarana traikefa ilay zavatra tiana hampitaina ary hisy akony eo amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Matetika ankizy foana no kendrena nefa tsy midika izany hoe tsy azo atao ny mifampizara amin’ireo ray aman-dreny sy olon-dehibe fa ny fomba fampianarana no mety samihafa.

Ny ankizy aloha no nosafidiana satria mora kokoa ny mampita zavatra amin’ny ankizy no sady ireo no ho mpitarika rahatrizay ka dieny mbola kely izy ireo dia efa volavolaina handray andraikitra sy hahafantatra ny maha-zava-dehibe ny zavatra hampianarina azy sy ny zavatra hampitanina amin’izy ireo dia ny karazan-javaboahary sy ny tontolo iainany izany.

Tokony hifanaraka amin’ ny olona kendrena sy ny lohahevitra tiana ampitaina ny fomba fanabeazana

Maro ny karazana zavatra hampianarina sy ny fomba fampianarana arakaraky ny olona kendrena sy ny lohahevitra.  Rehefa manao « éducation environnementale » dia ny tanjona ao anatin’izay dia ny hampahafantatra ny olona ny firindra sy ny fiasan’ireo karazan-javamanan’aina ireo ary mampiseho hoe aiza ny toeran’ny olombelona ao anatin’izany sy ny fifandraisan’ny olombelona amin’ny tontolo iainanany.

Ao amin’ny GERP manokana ankizy any amin’ny ambaratonga voalohany no hampianarina ary nisafidy ireo varika efa atahorana ho lany tamingana izahay hitondrana ny fampianarana.

Ao koa ny fanabeazam-boho mba hisy fiovana ihany koa toe-tsaina amin’ny fiainana andavanandro. Ao anatin’izay dia mampiseho amin’ny alalan’ny fampiharana na lalao ihany koa ny fifandraisan’ny Siansa, teknolojia, injeniera sy ny kajy amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Ary indraindray dia mitondra ireo ankizy any anaty ala izahay mampiseho azy ireo ny zavatra izay nampianarina azy.

Ampianarina ho tia varika ny ankizy

© GERP Madagascar, 2019

Ny tena hampitaina dia ny mampiavaka ireo biby ireo amin’ny biby rehetra sy ny anjara toerana lehibe raisiny eo amin’ny fandrindrana ny tontolo iainana ary indrindra ny loza izay mihatra amin’izy ireo.

Ny ankizy dia tsara ampianarina momban’ny varika:  ny karazany, ny toe-batany “morphologie”, ny mampiavaka azy amin’ny biby hafa, ny hitoviany sy ny tsy mampitovy azy amin’ny olombelona, ny toeram-ponenany (ala mando, ala tsilo, sns…), ny foto-tsakafony, ny mahazava-dehibe azy, ny loza mihatra aminy ary ny fiaraha-monina misy azy.

Ny olana sedraina ao amin’ny lafiny fanabeazana ny fiarovana ny tontolo iainana eto Madagasikara

Ny olana sedraina amin’ny lafiny fanabeazana ny fiarovana eto Madagasikara dia tsy mbola tafiditra tsara amin’ny fandaharam-pianarana any amin’ny ambaratonga fototra ny maha-zava-dehibe ireo biby na zava-maniry izay tsy fahita raha tsy eto amintsika ihany. Eo ihany koa ny tsy fahampian’ny fitaovana afahana mampita izany toy ny boky, afisy, sns. Matetika dia mbola ireo fikambanana na ONG no tena manao fampianarana momban’ny tontolo iainana eto amintsika. Fa tena anisan’ny olana sedraina ihany koa dia ny fifanoheran’ny fampianarana ny ankizy any ampianarana sy ny zavatra iainany ao an-trano. Ohatra hoe mampianatra ianao hoe namana ny varika fa mety hoe rehefa tonga any an-trano dia iny no ataon’ny Ray aman-dreny sakafo satria tsy misy hohanina.

Ny anjara biriky afaka omen’ny Malagasy tsirairay ho an’ny fanabeazana?

Ny fahatsapa-tena arahana fandraisana andraikitra no anjara biriky lehibe afaka raisin’ny Malagasy tsirairay, mety hoe amin’ny alalan’ny fitenenana na fihetsika satria ny fihetsika tsara hataonao dia mety mahasarika olona handray adraikitra toa anao ihany koa “ Ny atao mahasarika”.

© GERP Madagascar

Anisan’ny zava-dehibe ihany koa ny fifampizarana traikefa sy fahombiazana “success story” eo anivon’ny fikambanana.

Ny hafatra ho an’ny mpamaky

© GERP Madagascar

Ny hafatra dia samy tompon’andraikitra daholo isika amin’ny fiarovana ireo karazan-javaboahary ireo satria antsika ireo. Tsy tokony hiandry hoe matihanina be na hoe mila manana traikefa be na nandalina ny siansa sy ny tontolo iainana ianao vao afaka hitondra ny anjara birikanao amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.

Fa rehefa hainao ny mampiasa ny talenta anananao dia afaka atao fitaovana entina hanabeazana sy hiarovana ny tontolo iainana foana izany.

Ary mahaiza mifampizara, mifanakalo hevitra, miara-mitady vahaolana amin’ny hafa.

Ndeha iara-hiasa hanentana sy hanabe ny taranaka fara mandimby!

Maniry handray anjara an-tsitrapo amin’ny fanoratana bilaogy ato amin’ny LCN ve ianao? Manorata aty aminay.