Main Menu

Tongasoa eto amin’ny LCN

Resy lahatra izahay fa ny fiarahantsika rehetra miara-miasa no hahavotra ny varika amin’ny faharinganana!

Ny varika no biby mampinono sy miteram-batana ahiana ho lany tamingana indrindra eto an-tany. Eo amin’ny 98% be izao no karazana varika ahiana ho lany tamingana. 

Ny Lemur Conservation Network dia mampivondrona sy manohana ireo fikambanana misehatra amin’ny fiarovana, izay miisa 60 mahery. Manentana ho an’ny fiarovana ny varika izahay. Mampiely ny asa ataon’ireo mpikambana hanavotana ireo varika izahay. Manentana ireo mpankafy varika izahay mba hanampy ireo biby ireo amin’ny alalan’ny fianarana ny mombamomba azy, ny fitsidihana an’i Madagasikara ary ny fanohanana ny asa fiarovana amin’ny alalan’ny fizarana sy fifampizarana, ny fanohanana ara-bola ary ny filatsahana an-tsitrapo. Maro ireo mpikambana no miara-miasa akaiky amin’ireo mponina eny ifotony. Asa vadin-drano tsy vita raha tsy ifanakonana!

ANDAO HIARAKA HANKALAZA NY ANDRO ATOKANA HO AN’NY VARIKA

Tsidio ny rohy ahalalanao bebe kokoa.

IREO BILAOGY